mercredi 08 mai 2024

Archives quotidiennes: 21 décembre 2020

Tetikasa MIHARY : maro ireo efa nahita tombontsoa

0
Nandray anjara tamin’ny famelabelaran-kevitra izay no tanterahina nandritra ny hetsika nokarakarain’ny FIOVA na fivondronan’ireo orinasa ao Vakinakaratra ny tetikasa Mihary ny asabotsy lasa teo . Tanjon’ny tetikasa Mihary ny fahafahan’ireo manana fahasembanana mandray anjara amin’ny fampandrosoana ny firenena.

Fanaovana tahona Brochettes : mamelona ankohonana iray ao Toamasina

0
Manavotra fianakaviana maro ny asa fanamboarana tahona brochette any toamasina any fa saingy ahiana ny nety hahalany tamingana ny volobe na ny bambou izay akora fototra ampiasain'ny mpamokatra noho ny fisian'ny dorotanety sy ny fandripahana ny ala misesisey tato ho ato izay. Mivelona amin’ny fanaovana tahona Brochette i Christian mianakavy. Ny mahakasika ny asany indray no entina aminao ato anatin’ity fanadihadiana manaraka ity.

Marotolana – Ambanja : rongony 6208 Kg sy menaka rongony 21 litatra sarona

0
Vokatry ny fanomezam-baovao avy amin’ny olon-tsotra, olona 04 mpisera rongony no voasambotry ny Zandary tao Mahadera, Kaominina Marotolana, Distrika Ambanja niaraka tamin’ny Rongony mihoatry ny 6 Taonina sy menaka rongony 21 Litatra. Ny fidorohana rongony izay isan'ny mampirongatra ny asan-jiolahy na Andrenivohitra na any amin’ny tontolo Ambanivohitra.

Ramena –Diego : miroso ary ho vita alohn’ny fotoana ny asa fanamboarana ny lalana

0
Miroso ny fanamboarana ny lalana Ramena Diego amin’izao fotoana ary misy ampahan-dalana efa vita manontolo araka ny fanazavan’ny tomponandraiktra any an-toerana. Ho vita alohan’ny 12 volana fetra voalaza hanamboarana ny lalana ny asa hoy ny Chef de Chantier.

Cannabis : voasokajy ho isan’ireo zava-mahadomelina azo hitsaboana

0
Nanapa-kevitra ny CND na ny Commission des Stupéfiants des Nations Unes fa azo itsaboana ary nesorina tamin’ireo zava-mahadomelina mampidi-doza ny Cannabis. Afaka mampiasa Cannabis sy ny menaka azo avy aminy ireo laboratoire hahafahana mamokatra fanafody, tahaka ny efa nitranga tamin’ny Morphine sy ny Opium.