samedi 27 avril 2024

Archives quotidiennes: 4 février 2021

TMP : sehatra maro no voakasiky ny fakana ny hetra 8%

0
Tsy ny tsenam-barom-panjakana ihany no voakasiky ny TMP na ny Taxes sur les marchés public. Hentitra ny fanarahamason’ny sampandraharahan’ny hetra manoloana ny fampiharana azy, na ny  fakan’ny fanjakana ny hetra 8% alaina amin’ny vola miditra. Sehatra maromaro no voakasik’izay.

Fametrahana lava-drano : vita ny dingana voalohan’ny asa teny Antsahamasina

0
Manomboka ny fametrahana ireo Lava-drano 46 izay hamokatra rano hatramin’ny 2 metatra tora-3 isan’ora eto Antananarivo sy ny manodidina. Efa andalam-pamaranana ny dingana voalohan’ny asa fandavahana raha ny eny Antsahamasina anatin’ny kaominina Ambohidrapeto. Hirosoana aorian’izay ny fametrahana ny toeram-panadiovana na ny UNITE DE TRAITEMENT ahazoana rano fisotro madio.

Prefektioran’Antananarivo : ilaina fahazoan-dalàna ny fanatanterahina ny hetsika ara-politika

0
Ilaina fahazoan-dalana ny fanatanterahina ny hetsika ara-politika rehetra na eto andrenivohitra na any amin’ireo faritra ivelan’Antananarivo raha ny nambaran’ny teo anivon’ny prefektiora. Misy ny fepetra raisin’ny tomponandraikitra raha toa mivoana araky ny fangatahana fahazoan-dalana ny fanatanterahina izany raha ny fanazavana.

Faritra Atsimo : tokantrano miisa 90 000 hovatsiana rano mandritra ny 75 andro

0
Tokantrano miisa 90 000 no hisitraka rano mandritra ny 75 andro any amin’ny Distrikan’i Tsihombe sy Ambovombe Androy. Fisitrahan-drano izay vokatry ny fiaraha-miasa eo amin’ny fitondram-panjakana sy ny AES na ny Alimentation en Eau dans le Sud.

Trano fandraisam-bahiny : ny 40% ny vola miditra hatrizay ihany no azo vokaty ny Covid-19

0
Ny 40% ny vola miditra haramin’izay ihany no azon’ireo trano fandraisam-bahiny amin’izao fotoana izao vokatry ny tsy fisokafan’ny sidina mankany ivelany.  Hatreto ihany koa, tsy mbola hita mazava ny paikady hanampian’ny fanjakana ny sehatra tsy miankina.

Mananara Avaratra : niharan’ny fitsaram-bahoaka ilay lehilahy namono ny vadiny

0
Lehilahy iray tokony ho 40 taona no niharan’ny fitsaram-bahoaka tao amin’ny distrikan’i Mananara Avaratra alina. Nodoran’ny vahoaka vokatry ny ny asa ratsy vitany. Tsy mahatoky ny fitsarana ireo vahoaka no sady manahy ny amin’ny mety ho valifaty ka isan’ny nahatonga izao fandikan-dalàna izao.