vendredi 26 avril 2024

Archives quotidiennes: 10 février 2021

Faritra atsimo andrefana : mahazo vahana ny vaky fasana

0
Mahazo vahana tato anaty ny volana maro ny trangana vaky fasana any amin’ny faritra atsimo andrefana, isan’ireo lasibatra amin’izany ny fasan’ireo Mpanjaka raha ny nambaran’ny fikambanan’ny mpanjaka maroseragna Mahafaly. Manoloana izany, miantso ny tomponandraikitra hijery ny toe-draharaha ireo ampanjaka any an-toerana.

Grevy Paramed : mitohy ary miparitaka any amin’ny faritra ny fitakiana

0
Teny amin’ny ministera ny fahasalamam-bahoaka indray no nanohizan’ireo paramed teto Antanananarivo ny fitakiana nataon’izy ireo. Hatretro tsy mbola misy ny fifampidinihana tao amin’ny tomponandraikitry ny ministera ny ireo filohan’ny Sendikan’ny Paramed. Mbola hitohy ny tolona hoy izy ireo raha toa ka tsy mivaly ny fitakiana.

NTSAY CHRISTIAN : tokony hanaja ny demokrasia ny rehetra

0
Tsy maintsy alefa eny amin’ny fitsarana avokoa na iza na iza no voaroiroy  tamin’ny raharaha fanondranana volamena 73,5 kg sy devises, raha ny nambaran’ny praiminisitra lehiben’ny governemanta androany. Etsy ankilan’izay, manoloana ny antso sy ultimatum samihafa ataony mpanohitra, namafisiny fa tokony hanaja ny demokrasia sy ny safidin’ny maro an’isa ny rehetra, ary manana andraikitra ny hieno ny  vahoaka kosa ny mpitondra.

CUA : hohamafisina ny fanadiovana ireo lakan-drano amin’ny alalan’ny tetik’asa PIAA

0
Paik’ady hisorohana ny fiakaran’ny rano amin’ireo faritra samy hafa eto Antananarivo ny fanamafisana ny fanadiovana ireo lakan-drano, eo ihany koa ny fananganana fotodrafitr’asa maharitra izay manampy amin’ny fivoahan’ny rano. Manoloana izany, nanolotra fitaovana entina hanadiovana ireo lakandrano eto amin’ny tanan’Antananarivo androany ny teo anivon’ny AFD.

Orinasa Jirama : tokony hahafantatra ny laharam-pahamehana ny mpitantana

0
Tokony hojerena ny fomba fampiasana ny vola azon‘ny Orinasa Jirama hoy ny minisitry ny Angovo sy ny Akoran’afo androany mba hamaly ny filàn’ny vahoaka. Nambarany tamin’izany fa ny fanavaozana ireo foto-drafitr’asa efa antitra no tokony atao laharam-pahamehana hisorohana ny fahatapahan-jiro miverimberina.

Tanin’ny « Colon » : ilaina ny fananana lalàna mikasika azy ireo

0
Efa eny anivon’ny filankevitry ny minisitra ny tolo-dalàna mikasika ny tany ny colon na ny tany Voanjo ankehitriny. Zava-dehibe ny fandrosoan’ny dingana rehetra ho fampiharana izany, manoloana ny famaroan’ny tany colon izay raha ny fanazavana, entina hanatsarana ny sehatry ny fananan-tany. Ankoatra izay, nambaran’ny FNF na ny Fonds national foncier fa hatsaraina ihany koa ny fandrefesan-tany eto Madagasikara.