vendredi 26 avril 2024

Archives quotidiennes: 18 février 2021

Parking Antananarivo : ho raisin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra ny fitantanana azy

0
Hafindra ho raisin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra ny fitantanana ny Parking eto an-dRenivohitra, araky ny fanaovantsoniam-pamindram-pitantanana tamin’ireto farany sy ny Easy Park androany. Misy ny lamina napetraka amin’ny fanatanterahana izany. Namafisin’ny Ben’ny tanàna kosa  fa tsy hisy ny fiakaran’ny saran’ny parking io.

Zaridainan’Ambohijatovo : mikatona hatreto

0
Tsy afaka hanatontosana hetsika ny eo amin’ny zaridainan’Ambohijatovo ireo manao fangatahana ny amin’izany ato anatin’ny 7 volana fara fahakeliny, araky ny namafisin’ny Ben’ny tanànan’Antananarivo androany.  Io fe-potoana io izay fotoana hanantontosana ny asa fanamboarana ny zaridaina.

Polytechnique Vontovorona : nihamafy ny fifandonan’ireo mpianatra sy mpitandro filaminana

0
Nihamafy ny fifandonan’ireo mpianatry ny polytechnique Vontovorona sy ny mpitandro filaminana raha ny zava-nisy tamin’ity androany ity. Nampiasa fitaovana toy ny flesy sy pilotra ireo mpianatra, vokany, mpitandro filaminana telo naratra.

Lycée Moderne Ampefiloha : natao fitiliana ireo mpampianatra sy mpandraharaha

0
Taorian’ny nanaovan’ireo mpampianatra sy mpandraharana teny anivon’ny LMA antso fanairana ho an’ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena mahakasika ny firongatry ny Covid-19 eny an-toerana, mpampianatra sy mpandraharaha maherin’ny 50 androany no nanaovana fitiliana. Ny valin’ny fitiliana arak’izany no hamaritra ny fahafahan’izy ireo manohy ny fampianarana na tsia araka ny fanazavana.

Orinasa manao lalana : efa andalana ny famahana ny fitakian’izy ireo

0
Efa nisy ny lamina napetraka fa miandry ny fankatoavana aorian’ny fanadihadiana vao hiroso amin’ny fandoavana ny vola izay hanaovan’ireo orinasa mpikojakoja lalana fitakiana amin’izao fotoana izao. Io no valintenin’ny tahirimbolam-panjakana androany manoloana ny fitakian’ireo orinasa mpikojakoja lalana ireo.