Archives quotidiennes: 22 décembre 2017

Mpanolontsaina manokan’ny Filohampirenena : tsy miafina amin’ny fanararaotam-pahefana

0
Tsy tahotra, tsy henatra intsony ny fanararaotam-pahefana ataon’ny Mpanolontsaina manokan’ny Filohampirenena ankehitriny amin’ny fakana ny fananam-panjakana ho an’ny tenany manokana. Fotodrafitrasam-panjakana efa nisy no mody amboarina dia ambara ho fanatanterahana ny 3P. Tsy nasiana tolobidy na “Appel d’offre”.

HCC : notsipahin’ny ny fanaovan’ny Lehiben’ny distrika « jugement supplétif »

0
Nambaran’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana fa tsy mifanaraka amin’ny lalàmpanorenena ny fanatanterahin’ny lehiben’ny distrika, ny Préfet de police ny fitsarana mitety vohitra ho fanomezana karampanondrom-pirenena ireo izay mbola tsy manana. Hisy vokany eo amin’ny fanatanterahana ny fanavaozana isan-taona ny lisi-pifidianana izany, hoy ny Filoha lefitry ny CENI.