dimanche 28 avril 2024
Accueil 2017 novembre

Archives mensuelles: novembre 2017

Antenimierampirenena : izay mety amin’ny fitondrana no laharam-pahamehana

0
Hifarana tsy ho ela ny fivoriana ara-potoana faharoan'ny antenimiera amin'ity taona ity. Fivoriana andrasan'ny antoko politika sy ny mpanara-baovao ara-politika andalovan'ny lalàna momba ny fifidianana. Lalàna hafa no nandalo sy nolaniana tao anatin'ny amehana nandritra izay fivoriana izay. Tsy voahaja anefa ny fotoana voafaritra andinihana ny lalàna sy andaniana ireo lalàna ireo raha ny fanehoan-kevitry ny solombavambahoaka nanontaniana.

Mpitatitra amin’ny lalam-pirenena faharoa: nanao fitokonana fanairana

0
Nanao fitokonana fanairana ny fitondram-panjakana omaly tontolo ireo mpitatitra sy mpampiasa ny lalam-pirenena faharoa iny. Hiverina amin'ny laoniny kosa ny asan'izy ireo manomboka androany. Hihamafy anefa ny hetsika raha tsy misy ny fandraisana andraikitry ny mpitondra fanjakana.  

SECES Antananarivo : manome fe-potoana 1 volana ny ministera mpiahy

0
Manome fe-potoana 1 volana ny ministeran'ny fampianarana ambony sy ny fikarohahna siantifika ny mpampianatra mpikaroka eo anivon'ny SECES Antananarivo hamaliana ny fitakian'izy ireo. Izay no nivoitra nandritra ny fihaonana teo amin'ny solontenan’ny mpampianatra mpikaroka sy ny tomponandraikitra avy amin’ny ministeran’ny fampianarana ambony teny Tsimbazaza omaly.

KMF/CNOE : Mitaky ny hamoahana ny volavolan-dalàna mialohan’ny andalovany eny amin’ny antenimierampirenena.

0
Tokony ho voatazona ho tanterahana amin'ny taona 2018 hatrany ny fifidianana ho filohampirenena raha ny nambaran'ny KMF/CNOE. Mitaky ihany koa izy ireo ny hamoahana ny volavolan-dalàna, ho fantatry ny rehetra, mialohan'ny andalovany eny amin'ny antenimerampirenena.

Fifidianana 2018 : Misy ny tsy fifampitokisana amin’ireo mpiantsehatra samihafa

0
Samy manamafy ny tokony hisian'ny fifampitokisana sy fifanantonana eo amin'ny mpiantsehatra rehetra amin'ny fiainam-pirenena na ny iraka manokan’ny vondrona afrikanina, na ny mpanao politika, na ny vondrona Europeanina. Ny fanantontosana ny fifidianana ny taona 2018 no laharam-pahamehana raha ny fanazavana.

FFKM : Niteny mafy ny fitantanana eto Madagasikara

0
Nahery ny teny hafatra nampitan'ny FFKM Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara tamin'ny fanambarany nataon'ny Komity foibe faha 40 ny 23 - 26 novambra teo. Fitaka sy lainga marivo tototra no iainan'ny vahoaka malagasy. Tsy misy mihaino ny fanairana ataon'ny FFKM. Ireo raha fintinina no nampitain'ny fanambarana.
editorial

Parlement croupion

0
Le rapport du pouvoir exécutif à l’assemblée nationale censée exercer un contrôle sur ses activités a été expédié en deux temps trois mouvements jeudi. Au lieu des deux jours prévus, cet exercice des membres du gouvernement devant les députés n’a duré que quelques heures. Une mascarade qui conforte de plus en plus l’assemblée nationale dans un rôle de Parlement croupion. Qu’est-ce qui a donc fait courir les députés pour qu’ils écourtent ainsi la traditionnelle séance de questions-réponses avec les membres du gouvernement ? Mais le conseil des ministres suivi du congrès régional du parti HVM prévu se tenir à Mahajanga ce samedi et ce dimanche, assurément ! Les députés censés être le garde-fou dans l’application de la politique gouvernementale se sont ainsi laissé faire, jouant à fond la carte de la tolérance. Ils ont bien sûr essayé de garder les apparences sauves en rallongeant la première séance jusqu’à tard dans la nuit de jeudi mais ont par la même occasion clôturé ce rapport du gouvernement qui devait s’étaler sur deux jours. Vendredi, deuxième jour prévu pour la rencontre députés-membres du gouvernement, l’Assemblée nationale est restée particulièrement silencieuse, singulièrement muette. Les députés ne se réuniront à nouveau que ce mercredi pour accueillir des parlementaires indonésiens. L’opinion publique s’interroge désormais sur la nécessité du contrôle de l’Assemblée nationale sur les activités du gouvernement. En effet, seulement un peu plus d’une trentaine de députés sont présents lors de l’adoption des lois. Les débats n’ont plus vraiment cours. Ainsi, il a fallu moins d’une heure pour l’adoption sans amendement de la loi des finances 2018. Pour l’opinion publique, les députés semblent devenus les dignes représentants d’un parlement croupion qui ne jurent que pour leurs intérêts. Ce pouvoir législatif accepte tout ce que le pouvoir exécutif lui impose. La session écourtée du rapport du gouvernement pour cause de conseil des ministres et de congrès régional du parti HVM à Mahajanga en est une des multiples illustrations. Dans de telles conditions, qu’en est-il de l’intérêt supérieur de la nation, de l’Etat de droit et de la démocratie qu’on prône haut et fort ? Avec les près de 50 milliards 553 millions d’ariary que cette institution coûte chaque année aux contribuables dont elle ne défend aucun intérêt, de nombreux projets sociaux peuvent être réalisés.

Vondrona afrikanina : Filohampirenena vaovao ny aorian’ny 25 janoary 2019

0
Taorian’ny iraka manokana nataon’i Ramtane Lamamra teto Madagasikara tamin’ny herinandro lasa iny, namoaka fanambarana mitatitra ny diany teto amintsika ity iraka manokan’ny Vondrona Afrikanina ity, izay nanamarika fa Filohampirenena vaovao vita fianianana no tokony hitondra an’i Madagasikara manomboka ny faha-25 janoary 2019.

Edito

0
Fombafomba sy sarimihetsika sisa ny fihaonana hanaovan’ny fahefana mpanatanteraka tatitra ny asa vitany manoloana ny fahefana mpanao lalàna izay mpanara-maso ny asany. Raha roa andro no tapaka tao anatin’ny lahadinika hanatanterahana ity fihaonana, 11 ora sy sasany monja no nanaovana izany ny Alakamisy lasa teo. Inona ny antony ?

Fihaonan’ny Solombavambahoaka sy ny Governemanta : fombafomba sisa

0
Nanomboka omaly atoandro ny andro voalohany eo amin’ny fihaonan’ny solombavambahoaka sy ny mpikambana eo anivon’ny governemanta. Tsy nisy ora iray ny famelabelaran’ny governemanta ny asa vitany. Fombafomba sisa ny hanaovana ny fihaonana raha ny fahitan’ireo solombavambahoaka avy amin’ny mpanohitra.