Archives quotidiennes: 16 mars 2018

Fifidianana filohan’ny repoblika: hamoraina ny hala-bato

0
Miverin-dalana amin'ny fomba fikarakarana fifidianana indray ny fanjakana raha ny hita amin'ny andinin-dalàna sasany ao anatin'ny volavolandalàna momba ny fifidianana filohan'ny repoblika. Mety ho hatao bileta misaraka ny ampiasaina amin'ny fiodinana faharoa amin'ny fifidianana filohan'ny repoblika raha ny voalaza. Fomba izay efa hita sy voaporofo fa manome vahana ny hala-bato teto amin'ny firenena.

Hetsika fanairana iadiana amin’ny tsy fandriampahalemana : naneno Antananarivo

0
Maro no nanaraka ilay hetsika fanairana ny fitondrana ny amin'ny tsy fandriam-pahalemana manerana ny Nosy omaly. Lakolosy fanairana izay hiandrasana ny fandraisan'andraikitry ny mpitondra isan-tsokajiny. Naharitra minitra maromaro io hetsika natao omaly io.