Accueil 2018 mars

Archives mensuelles: mars 2018

Volavolan-dalàm-pifidianana : tsy mifanaraka amin’ny fahafahana omen’ny Lalàmpanorenana

0
Natao hanampenam-bava ankolaka sy tsy mifanaraka amin’ny fahafahana omen’ny lalàmpanorenana ny haino amanjery tsy miankina ny andiany faha-110 ka hatramin’ny faha-115 amin’ilay volavolan-dalàna hifehy ny fifidianana.

Lalàm-pifidianana : adinon’ny fanjakana ny adihevitra

0
Isany misongadina ao anatin'ny lalàm-pifidianana ny fameran'ny fanjakana ny fomba fanehoan-kevitra amin'ny haino amanjery tsy miankina mandritra ny fampielezan-kevitra. Tahaka ny fanaon'ny fanjakana, tsy misy ny adihevitra mialohan'ny amoahana lalàna hoy ny antoko Malagasy Miara-Miainga. Maro ireo pitsopitsony ahitana tsy fahatomombanana amin'ny fandrafetana ireo volavolan-dalàna momba ny fifidianana raha ny voalaza hatrany.

Volavolan-dalàmpifidianana andininy faha-55 : narafitra ho an’ny mpitondra sy ny antokony

0
Narahinao omaly teto amin’ny fampahalalam-baovaon’ny KOLO TV FM ny andininy izay mametra ny fanehoan-kevitra mandritra ny fampielezan-kevitra. Hita ihany koa ny fanomezana vahana ny antoko eo amin’ny fitondrana afaka hanao fampielezan-kevitra mialoha ny fotoana.

Votoatin’ny fampielezankevitra : tokony ahakasika ny fiainam-bahoaka

0
Ny maha zava-dehibe ny votoatin'ny fandaharan'asan'ny kandida iray rehefa fotoanan'ny fampielezankevitra. Izay indray ny lohahevitry ny fanadihadiana niarahan'ny Agence Capsule sy ny Kolo TV / Fm. Nanontaniana ireo olon-tsotra ihany koa ny fijerin'izy ireo ny Ny Initiative pour l'émergence de Madagascar natolotry ny filohan'ny tetezamita teo aloha Andry Rajoelina.

Sefafi : tokony hampahafantarina ny olompirenena ny votoatin’ny lalàm-pifidianana

0
Namoaka fanambarana mikasika ny lalàm-pifidianana ny sehatra fanaraha-maso ny fiainam-pirenena na ny SEFAFI, ny 5 marsa teo. Vonona hitondra fanitsiana amin'ny lalàm-pifidianana izay lalàna mavesa-danja eto amin'ny firenena io fiarahamonim-pirenena io raha ny voalaza.

Fampielezankevitra eto Madagasikara : fampiderana vola fotsiny

0
Ny maha lahara-pahamehana ny fanarahana ny fampielezankevitry ny kandida rehefa fotoam-pifidianana.Izay indray ny lohahevitry ny fanadihadiana niarahan'ny Agence Capsule sy ny Kolo TV / Fm. Ilain'ny mpifidy ny manaraka azy ireny amin'ny antsipirihiny mba ahafahana manao ny safidy raha ny fanazavana azo.

Fihetsiky ny mpitondra manoloana ireo mpanabe : tsy voahaja ny fahalalahan’ny mpiasam-panjakana

0
Mbola mitohy ny tsy fanajana ny fahalalahan'ireo mpiasam-panjakana manoloana ny fihetsiky ny mpitondra tamin'ireo mpanabe teny amin'ny INFP Mahamasina. Mifangaro amin'ny raharaha politika ihany koa ny resaka fampianarana. Tranga izay tsy azo ekena amin'izao ankatoky ny fifidianana izao.  

Corsair : manao fanangonan-tsonia hanohizany ny sidina

0
Mitohy ny ady ataon'ny kaompania vahiny Corsair ankehitriny manoloana ny fameran'ny fanjakana malagasy azy tsy hanao ny sidina fanaony intsony. Mitaky fanohanana ny zony io kaompania vahiny io amin'ny alalan'ny fanangonan-tsonia. Ny faran'ity volana marsa ity raha ny fantatra no fotoana farany ahafahany manao sidina mampitohy an'Antananarivo sy La Réunion.

Fanesorana ny tonia ambony ao amin’ny fitsarana tampony : tsy nanara-dalàna ny Filan-kevitry ny minisitra

0
Tsy manara-dalàna ny fanesorana ny tonia ambony ao amin'ny fitsarana tampony hoy ny mpisolovava azy. Tsy nisy ny firesahana mialoha tamin'ny filankevitra ambonin'ny mpitsara ary tsy fahefan'ny filohampirenena ihany koa ny fanesorana io tomponandraikitra io.

Tsy fandriampahalemana : tsy hita ny vahaolana maty paika avy amin’ny fanjakana

0
Hanatanteraka hetsika fanairana ny 15 martsa izao ny vovonana ahitana ireo mpandraharaha tsy miankina, firaisamonim-pirenena vokatry ny firongatry ny tsy fandriampahalemana manerana ny nosy. Tsy hita ny vahaolana raisin'ny fitondram-panjakana manoloana izay tsy fandriampahalemana izay antony hanaovana ny hetsika.