samedi 27 avril 2024

Archives quotidiennes: 26 octobre 2018

CENI : tsy maintsy miroso amin’ny fifidianana isika

0
Tsy tokony rohitina hanemorana ny fifidianana ny tsy fahatomombanana tsikaritra nandritra ny AUDIT nataon’ny OIF teto Madagasikara hoy ny filohan’ny CENI. Azo ampiasana hanatanterahana ny fifidianana ny lisitra sy ny lalàna mifehy izany raha ny fanazavana. Nanamafy ny tokony hirosoana amin’ny fifidianana ihany koa ireo mpisehatra samihafa.

Solombavambahoaka : tsy azo ekena ny fanemorana ny fifidianana

0
Misesy ny fanehoan-kevitra manoloana ny tsy fankasitrahana ny fikasana kandida vitsivitsy hanemotra fifidianana. Solombavambahoaka avy amin’ny faritra samihafa manerana ny nosy no manamafy fa tsy maintsy hirosoana ny fifidianana amin’ny faha7 novambra izao. Tahotra fifidianana ny an’ireo kandida mitady hanakorontana ny zotra-mpifidianana hoy izy ireo.

Praiminisitra NTSAY Christian : laharam-pahamehana ny famerenana ny fahefam-panjakana hiadiana amin’ny fitsaram-bahoaka

0
Natao ary hatao laharam-pahamehana ny famerenana ny fahefam-panjakana amin'ny toerana tokony hisy azy hoy ny praiminisitra NTSAY Christian. Izay no paik'ady hotanterahina anatin'ny fotoana foy hiadiana amin'ny fitsaram-bahoaka

Toliara : sokatra miisa 7 347 hafa indray no tratehaka

0
Lafim-baovao hafa tanteraka kosa indray, sokatra miisa 7 347 indray no tratehaka tany Ihotry kaominina Tongobory omaly. Notanterahina omaly ankilany ny fitsarana ireo olona 3 voarohirohy tamin’ny raharaha fahatratrarana sokatra maherin’ny 10.190 isa tany Betsinjaka, Toliara II ny 9 aprily lasa teo. Sazy mihatra 6 taona antranomaizina sy lamandy zato tapitrisa ariary no azon’izy ireo .