samedi 27 avril 2024

Archives quotidiennes: 29 octobre 2018

Edito 27 Oct

0
Nandamoaka ny fiantsoana olona hidina an-dalambe hanemorana na hanafoanana fifidianana nokonokomonin’ireo kandidà ny zoma lasa teo. Mazava ny resaka, ny fanatanterahana fifidianana Filohampirenena amin’ny faha-7 novambra ho avy izao, no safidin’ny ankamaroan’ny Olompirenena Malagasy. Tampina nydaomy. Inona indray no hambaran’ireo matahotra fitsaram-bahoaka amin’ny alalàn’ny fifidianana ireo?

Fako Antananarivo renivohitra

0
Misy fomba fiasa tsy mety ary mifanilika andraikitra ny SAMVA sy ny ministeran'ny rano ny fidiovana sy ny fanadiovana hoy ny Praiminisitra lehiben'ny governemanta, na dia efa samy nomena baiko hanala ireo fako miparitaka eto Antananarivo renivohitra. Dabam-pako amin'ny faritra maro no tsy misy maka ao anatin'ny 2 na 3 volana.

Raokandro

0
Manankarena amin'ny zava-maniry isika eto madagasikara indrindra fa ny raokandro. Efa vitsy amin'ny Malagasy anefa ny mahafantatra ny raokandro ankehitriny izay isan'ny fampiasan'ny ntaolo ho enti mitsabo ny aretina maro samy hafa.

Réseau sociaux

0
Eo amin’ny sehatry ny fanatontoloana indray. Tato anatin’ny fotoana fohy, nanjary sehatra iparitahan’ny fanehoan-kevitra tsy etika sy tsy mety amin’ny fiarahamonina ny tambazotra sosialy noho ny tsy fahafehezana azy. Zava-dehibe araka izany ny fianarana sy ny ffifehezana ny fikirakirana ireny tambazotra ireny hiteraka vokatra tsara eo anivon’ny fiarahamonina