samedi 27 avril 2024

Archives quotidiennes: 19 octobre 2018

Bakalorea eto Antananarivo: nivaly androany

0
Androany no nivaly ny valim-panadinana bakalorea ho an'ny faritanin' Antananarivo. Nahitam-piakarana eo amin'ny 3% ny taham-pahafahana raha hoarina tamin'ny taon-dasa. Toy ny isan-taona, teo amin'ny iray volana teo hatrany ny faharetan'ny fitsarana hatramin'ny famoahana ny valim-panadinana.

Fanondranana volamena  – 2018 : tsy azo itokisana ny tarehimarika navoakan’ny ANOR

0
Tafidina 130 kilao ny volamena naondran’i Madagasikara tamin’ny ity taona 2018 ity raha nananika ny 340 kg izany tamin’ny taon-dasa, raha ny tatitra navoakan’ny ANOR. Tsy mifanaraka amin’ny tarehimarika azo avy amin’ny tsenam-bolamena eran-tany navoakan’ny Banky iraisampirenena ity tarehimarika navoak’ny ANOR ity hoy ny mpahay toekarena nadihadiana. Ny fitombon’ny fanondranana antsokosoko no ambadin’izany raha ny fanazavana hatrany.

Fampiofanana FES : navoaka omaly ireo mpanao gazety 10

0
Mpanao gazety miisa 10 no navoaka tamin'ny fomba ofisialy omaly maraina taorian'ny fahavitam-piofanana. Fiofanana ho an'ny mpanao gazety tanora izay nokarakarain'ny FES tamin'ity taona 2018 ity izay andiany faha 6. Anisan'ny mpandray anjara tao anatin'izany moa ny mpanao gazetin'ny kolo tv fm izay teo amin'ny laharana faha 3.

Kaominina Ambohidratrimo : nahodikodin’ny ben’ny tanàna ny vidin-tanin’olona?

0
Mihenjan-droa ny tady eo amin'ny mponina sy ny ben'ny tanàna Ambohidratrimo mombann'y fakana ranon-tany hanamboarana lalana. Tany mana-tompo no hakana ranon-tany, tsy misy fifampiresahana, tsy misy fanonerana. Nankaiza ny vola tamin'izany hoy ny mponina.