Archives quotidiennes: 27 décembre 2018

Krismasy 2018 : nihena ny isan’ireo olona voan’ny fanapoizinana ara-tsakafo

0
Ny tsy fitandremana eny an-dalana na ny accident à responsabilité civil. Izay no isany nanamarika ny 24 sy ny 25 Desambra raha ny antontanisa azo teny amin’ny HJRA io maraina io. Nitombo izany raha ampitahaina ny tamin’ny taon-dasa. Nihena kosa ny olona voan’ny fanapoizinana ara-tsakafo.

LFI 2019 : nambaran’ny HCC fa mifanaraka amin’ny Lalàmpanorenana

0
Nambaran’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenena tamin’ny didy laharana faha-33 – HCC/D3 tamin’ny faha-24 desambra lasa teo fa mifanaraka amin’ny lalàmpanorenana ny LFI 2019, na izany teo amin’ny fomba namoahan’ny Filohampirenena mpisolo toerana azy tamina didy hitsivolana na ireo fanitsiana nataon’ny parlementera. Fanadihadiana : RAHARISON Andry

Saran-dalanaKoperativam-pitaterana mihazo ny faritra : manararaotra mampiakatra saran-dalana

0
Anjakan’ny gaboraraka ny tolotra sy ny tinady amin’ny sehatry fitaterana mihazo ny faritra eny amin’ny Fasan-karana. Ankoatra ny fampiakarana saran-dàlana tsy ara-dalàna 10 hatramin’ny 20 % , maro ihany koa ny fanosihosena ny bokin’andraikitra raha ny fanadihadiana. Mikaikaika manoloana izany ireo mpandeha, izay mitaky ny fanarahamaso avy amin’ny ATT.

Trano may 67 ha IVO – 67 Ha : trano ampolony no may kilan’ny afo.

0
Trano am-polony no may teny amin'ny IVO 67 Ha ny ataondro teo. Trano hazo iray no niandohan'ny afo raha ny fanazavan'ny mponina ka nahatonga fianakaviana maro ho may fananana sy traboina. Nampanano sarotra ny famonoana ny afo ny fahalaviran'ny rano na dia tonga ara-potoana ny sampana mpamonjy voina.