Archives quotidiennes: 31 décembre 2018

Andry Rajoelina : mitarika amin’ny isa 55.66% raha ny vokatry ny CENI

0
Tao Anatin’ny fifaliana tanteraka no nandraisan’ny mpomban’ny kandidà laharana faha 13 Andry Rajoelina ny vokatra navoakan’ny CENI omaly . Na izany aza, miandry ny vokatry ny HCC am-pitoniana ny rehetra raha ny nambaran’izy ireo.

Hetsiky eny amin’ny kianjan’ny 13 may rahampitso : tsy nahazo alalàna

0
Tsy nahazo alalàna avy amin’ny prefektioran’Antananarivo renivohitra ny fitaomana olona hanoherana ny voka-pifidianana kasain’ny kandidà Marc RAVALOMANANA sy ny mpomba azy hatao rahampitso etsy amin’ny Parvis Analakely. Tsy tonga ara-potoana ny taratasy fangatahana raha ny fanazavana. Ahiana ihany koa ny hisian’ny savorovoro amin’izao ankatoky ny fety izao.

Rohy Firaisamonim-pirenena Rohy : manafangaro andraikitra

0
Nandritra ny fihaonana tamin’ny mpanao gazety androany maraina nanaovan’ny firaisamonim-pirenena ROHY tatitra ny fifidianana fihodinana faharoa no nanambarany ihany koa fa tokony hiarahan’ny fiarahamonim-pirenena sy mpanao politika ny fanendrena ny minisitry ny Ati-tany manaraka. Fanadihadiana : RAHARISON Andry

SEMM : manaitra ny filoha vaovao izay ho lany eo amin’ny famahana ny olan’ny JIRAMA

0
Tsy azo ekena intsony, hoy ireo mpiasan'ny JIRAMA mivondrona ao amin'ny SEMM ny hiatrehana hatrany ireo olana anatiny maro isan-karazany iainan'izy ireo eo amin'ny lafiny arak'asa ankoatry ireo olana iainan'ity orinasam-panjakana ity izay ny vahoaka hatrany no mizaka ny vokany. Antony fanambarana izay natao omaly ho fanairana ny tomponandraikitra.