samedi 27 avril 2024
Accueil 2019 janvier

Archives mensuelles: janvier 2019

Air Madagascar : mitaraina manoloana ny fomba fiasa ireo mpanjifa

0
Mitaraina ireo mpanjifa ny kaompaniam-pitaterana Air Madagasikara amin'ny fomba fiasan'ity orinasa ity. Toa ny mahazo ireo mpanjifa any Chine, tokony efa hiala ny Alahady teo, noho ny fahasimban'ny fiaramanidina hatramin'ny androany tsy fantatra ny fotoana hiaingana. Ny kaompania hafa, efa nahita vahaolana ho an'ireo mpanjifany.

Maridrefin’ny fahatsapana kolikoly 2018: isa 25/100 ho an’i Madagasikra, laharana 152 amin’ny firenena 180

0
25/100 no isa azon’i Madagasikara amin’ny maridrefy hitarafana ny kolikoly. Eo amin’ny laharana faha 152 amin’ny firenena 180 nanaovana fanadihadiana. Niroso laharana 3 isika oharina amin’ny tamin’ny taon-dasa izay nahazoana ny laharana faha153. Ezaka tokony hatevenina ny eo amin’ny lafiny lalàna, indrindra ny didy fampiharana hampahomby ny paikady iadiana amin’ny kolikoly.

Fanavaozana ny lisi-pifidianana : mila atevenina ny fanentanana eny anivon’ny fokontany

0
Marisarisa ny vahoaka eny anivon'ny fokontany amin'ny fanoratana na fanitsiana ny anarany amin'izao fotoam-panavaozana ny lisitry ny mpifidy izao. Samy manana ny tetika ampiasainy ny eny anivon'ny fokontany hamporisihana ny vahoaka amin'ity fanavaozana ny lisi-pifidianana ity. Ny fanentanana no tokony hamafisina raha ny fanadihadiana natao.

Fanatsarana ny sehatry ny fitaterana : mila fepetra hentitra

0
Tsy mbola hita taratra ny fanajana ny bokin’andraikitry ny fitaterana eto andrenivohitra. Taxibe 10 isan-kerinandro no miakatra CODIS momba ny fihoaram-pefy hoy ny koperativa. Azo alain-tahaka amin’ny fanajana ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana ny fepetra noraisin’ny praiministra farany teo hoy ny mpanara-baovao.

Drakaka tsy ara-dalàna : fiara 3 no saron’ny zandary.

0
Fiara 3 avy any Mahajanga sy Ambanja ary Antsohihy no saron'ny zandary nitondra Drakaka tsy ara-dalàna ny faran'ny herinandro teo. Drakaka latsaky ny habe 11 cm, fetra farany ambany omen'ny lalàna ireo sarona ireo. Manenjika "Quotas" ho an'ny taom-baovao Sinoa ny 04 sy 05 febroary 2019 ho avy izao izy ireo ka maka ireo Drakaka tsy ampy refy raha ny loharanom-baovao azo.

Ambohitsirohitra : raikitra ny famoahana entana antsokosoko.

0
Nisy andian'olona voalaza fa irak'i Andriamatoa Hugues RATSIFERANA mpanolotsain'ny filoha teo aloha RAJAONARIAMPIANINA Hery namoaka entana tao amin'ny biraom-panjakana eny Ambohitsirohitra. Sarona tany amin'ny fitoeran'antan'io mpanolotsain'ny filoha teo aloha io ny entana sasany tamin'izany.

Hala-jaza eto andrenivohitra : miova endrika ary tsy mety foana

0
Anisan’ny tranga iray tsy mety foana eny anvion’ny fiarahamonina ny hala-jaza saingy tsy voaresaka firy. Manova paikady hatrany ireo mpanao ity asa ratsy ity. Ilaina ny fandraisana andraikitry ny rehetra ao anatin’izany. Araho anatin’ity fanadihadiana ity ny resaka nifanaovan’ny mpanao gazetin'ny kolo tv tamin’ny lasibatra.

Antenimierampirenena : hiatrika fivoriana tsy ara-potoana manomboka ny alarobia izao

0
Hiatrika fivoriana tsy ara-potoana manomboka ny Alarobia ho avy izao ireo solombavambahoaka eny Tsimbazaza. Ankoatra ny fitondrana ny politikampanjakana ankapobeny, isany lahadinika hodinihana ny momba ny rijantenin-dalàna mifehy ny fifidianana solombavambahoaka.

Rovan’i Manjakamiadana : ho vitaina amin’ny taona ho avy hoy ny Filohampirenena

0
Ho vitaina amin’ny taona ho avy io ny fanamboarana ny Rovan’i Manjakamiadana hoy ny Filohampirenena nandritra ny fotoam-pivavahana androany. Tanjona ny hamerenana ny hasin’ny vakoka sy ireo toerana mana-tantara hoy ny fanazavana. Atomboka ny asa ary isany atao laharampamehana anatin’ny tetikasan’ny fitondram-panjakana hoy ny minisitry ny serasera sy ny kolontsaina.

Kraoma Brieville : nitondra ny olana eo anatrehan’ny fitondram-panjakana ankehitriny

0
Nandefa solotena hihaona mivantana amin'ny fitondram-panjakana ankehitriny ireo mpiasan'ny kraomita malagasy any Brieville manoloana ny olana lavareny eo amin'ity orinasam-panjakana ity. Mitohy hatrany ihany koa ny tolona raha ny fanazavan'ireo mpiasa hatrany.