dimanche 28 avril 2024

Archives quotidiennes: 27 juin 2019

Matso 26 jona 2019 : fitaovana arifomba no nalahatra

0
26 Jona 1960 -26 Jona 2019. 59 taona nahazoan’i Madagasikara ny fahaleovantenany. Niavaka ny fanamarihana izany tamin’ity taona ity. Niavaka ny fitaovana nentina naneho fa miady amin’ny tsy fandriampahalemana ny foloalindahy malagasy .

26 jona : niavaka ny fankalazana ny faha 59 taona niverenan’ny fahaleovantena

0
Niavaka ny fankalazana ny faha 59 taona niverenan'ny fahaleovan-tena ho an'ny faritra ivelan'Antananarivo renivohitra androany. Matso, fety sy fiaraha-mifaly ao anatin'ny filaminana tanteraka no hita.

Paul KAGAME : tonga tamin’ny 11 ora sy 25 minitra

0
Tamin’ny 11 ora sy 25 minitra no tonga tetsy IVATO ny filohan’ny Repoblikan’i Rwanda Paul KAGAME. Ny filohan’ny Repoblika mivady niaraka tamin’ireo mpikambana anivon’ny governermanta notarihin’ny Praiminisitra NTSAY Chrisitian no nitsena azy teny an-toerana.

Kabary 26 jona : nomem-boninahitra ny foloalindahy

0
Tsy tahaky ny isan- taona, nomena ny minisiteran'ny fiarovam- pirenena ny fanaovana ny kabary ofisialy ho an'ny vahoaka malagasy izay fanaon'ny filohampirenena amin'ny maha fetin'ny foloalindahy ny fetin'ny fiverenan'ny fahaleovantena Malagasy. Nambaran'ny minisitry ny fiarovam- pirenena tao anatin' izany fa mila ny fanomezan- tanana avy amin'ny tsirairay izy ireo ho fanatanterahana ny fanamby.

Matso teny Mahamasina : Afa-po ireo nanatrika izany

0
Afa-po ireo nanatrika ny matso teny Mahamasina tamin'ity androany ity, nandritra ny fankalazana ny faha-59 taona niverenan'ny fahaleovantena. Nankasitraka ny fepetra noraisin'ny mpitondra manoloana ny fampitaovana ny eo anivon'ny fitandroana ny filaminana ihany koa izy ireo.