dimanche 28 avril 2024

Archives quotidiennes: 17 juin 2019

Fanamboaran-dalana eto an-drenivohitra : mitohy ny asa.

0
Mitohy ny fanamboarana ny lalana ataon’ny filohan'ny repoblika amin'ny alalan'ny ministeran’ny fanajariana ny tany sy ny toeram-ponenana ary ny asa vaventy eto an-drenivohitra. Mizotra an-tsakany sy an-davany ny tetikasa "rue de tanà" ary misy ireo efa vita.

Maro an’isa eny Tsimbazaza : hitondra filaminana sy fampandrosoana

0
Araka ny vokatra vonjimaika navoakan’ny CENI omaly iny dia manana ny maro an’isa eny Tsimbazaza ny IRD na Isika rehetra Miaraka amin’i RAJOELINA Andry. Solombavambahoaka 84 eo ho eo no lany tamin’ny lisitra IRD. Hitondra filaminana sy fampandrosoana ho an’ny firenena izany raha ny fanadihadiana natao.

Fifidianana solombavambahoaka : namoaka vokatra vonimaika ny CENI

0
Namoaka ny voka-pifidianana vonjimaika tamin'ny fifidianana solombavambahoaka ny teo anivon'ny CENI androany tetsy amin'ny foiben-toerana Alarobia. 40,71% ny tahampahavitrihana manerana an'i Madagasikara. Nahazo maro an'isa ny kandidà IRD na ny Isika Rehetra miaraka amin'i Andry Rajoelina.

Edito du 15 juin 2019

0
Endriky ny fampiarana ny demokrasia voalohany indrindra ny fanatontosana fifidianana amin’ny firenena mampiatra ny demokrasia. Isan’ireo firenena mampiatra ny demokrasia isika eto Madagasikara. Fampindram-pahefana omen’ny vahoaka ireo olona izay omeny ny fitokisany hitantana sy handrindra ny raharaham-panjakan’ny firenen’ny firenena iombonana ihany koa ny fifidianana. Mariky ny fifandimbiasam-pahefana mitondra fitoniana sy fampandrosoana ho an’ny firenena ny fahatontosan’ny fifidianana.

Ady amin’ny herisetra mahazo ny vehivavy : ilaina ny fiaraha-mientan’ny rehetra

0
Ilaina ny fiaraha-mientan'ny hery velona rehetra manoloana ny ady amin'ny herisetra mahazo ny vehivavy. Antony mahasarotra ny ady, efa zary andavanandron'ny ankamaron'ny olona ny fanaovana herisetra hoy ny tomponandraikitra eo anivon'ny Centre Social Arrupe teny Faravohitra tamin'ity androany ity.

Tsy fanjarian-tsakafo any amin’ny faritra Atsimo : ankizy 5 000 hisitraka “Plumpy’Nut”

0
I Madagasikara no firenena faha-5 ahitana trangana tsy fanjarian-tsakafo maro indrindra maneran-tany, araky ny laharana navoakan'ny UNICEF. Isan'ny laharampahamehana ho an'ny fitondram-panjakana ny ady atao amin'izany. Nahazo fanampiana, fanomezana “Plumpy'Nut”, izay fanampin-tsakafo, 5 000 boritra avy amin'i Japon amin'ny alalàn'ny UNICEF ny fanjakana Malagasy.

Air Madagascar : mitohy ny fitadiavana vahaolana maharitra

0
Mitohy ny fitadiavana vahaolana maharitra entina hanarenana ny kaompaniam-pitaterana hanabakabaka Air Madagascar. Vola manodidina ny 25 tapitrisa euro no fantatra fa ilaina amin’izany. I Air Austral ihany hatreto no voalaza fa afaka manampy an’I Air Madagascar.

Parc Ankarafantsika : mitohy hatrany ny fahasimbana

0
Mihapotika ny valan-javaboaharin’Ankarafantsika ary ho ringana afaka 5 taona raha tsy misy fandraisana fepetra haingana avy amin’ny tomponandraikitra isan-tokony. Anton’izany ny firongatry ny mpifindra monina mikarama ho an’ny mpandraharaha mpanangom-bokatra any amin distrikan’i Marovoay faritra Boeny.

ITM : nitsidika teny ny Filohan’ny Repoblika

0
Hetsika goavana amin'ny fampiroboroboana ny tontolon'ny fizahantany eto Madagasikara ny ITM, hoy ny filohan'ny repoblikan'i Madagasikara nandritry ny fitsidihany ireo trano heva teny amin'ny CCI Ivato androany. Mamporisika ireo mpandraharaha vahiny hampiasa vola eto Madagasikara ny hetsika toy izao, hoy hatrany ny Filoha RAJOELINA Andry. Nasiany resaka ihany koa ny momba ny vidin-jiro sy vidin-tsolika eto amintsika nandritra ity fitsidihina ity.

Ben’ny Tanàna : manana andraikitra goavana eo anivon’ny kaominina

0
Manana anjara andraikitra goavana amin'ny fampandrosoana ny tanàna ny ben'ny tanàna. Izy no lehiben'ny mpanatanteraka, sy lehiben'ny tetikasam-pampandrosoana hahafahana manatsara ny kaominina izay tantanany. Mifanohitra amin'izany anefa ny hitan’ny mpanara-baovao raha ny eto anivon'ny kaominina Antananarivo renivohitra ankehitriny.