dimanche 28 avril 2024

Archives quotidiennes: 11 juin 2019

Fetin’ny Pentekoty 2019  : nitombo ireo niharam-boina

0
Nitombo ireo niharam-boina nandritry ny fetin’ny Pentekoty 2019 raha ampitahaina ny tamin’ny taon-dasa. Olona 1 no maty , 14 voatery naiditra hopitaly raha ny antontanisa azo teny amin’ny HJRA ny marainan’ny Alatsinain’ny Pentekoty.

Fitsangatsanganana : tsy nisy fanomanana manokana

0
Toerana tsy lavitra ny trano fonenana no nosafidian’nyn ankamaroan’ny tokantrano nitsangatsanganana androany. Tsy nisy ny fanomanana manokana fa ny teo ampelatanana no notsinjaraina. Ndao arahintsika anatin’ity fanadihadiana ity ny fanomanana ho an’ny fianakaviana iray sendran’ny mpanao gazetinay.

Fitantanam- bolam-panjakana : mivoatra hoy ny FMI

0
Nanao ny tatitra ny tombana nataony amin’ny famoahana ny andiany faha 5 amin’ny FEC ny FMI ny maraina teo. Mivoatra raha ny tatitra nataon’izy ireo ny fitantanambolam-panjakana. Mbola betsaka kosa anefa ny ezaka ahafahana mahazo ny fiakaran’ny harikarena faobe mihoatry ny efa misy amin’izao.

Vokatra CENI : nahazo toerana 84 ny IRD

0
Taorian’ny nahatogavan’ny antontan-taratasy farany avy amin’ny SRMV teny anivon’ny CENI dia ny IRD na Isika rehetra miaraka amin’i RAJOELINA Andry no mahazo ny maro an’isa eny amin’ny Antenimierampirenena Tsimbazaza. Mbola vokatra vonjimaika io hatreto. Amin’ny faha-30 ny volana jona ho avy izao no fantatra fa mety hamoahan’ny HCC ny vokatra ofisialy.

Edito du 8 juin 2019

0
Ao anatin’ny fanovana ny fomba fitantanan-draharaham-panjakana amin’izao fotoana izao ny fitondrana. Isan’izany ny fampihenana ny fandaniana izay heverina fa tsy hitondra vokatsoa ho an’ny be sy ny maro, toy ny nanafoanana ny fiaraha-misakafo any an-dapa mandritra ny fankalazana ny fetim-pirenena. Rindram-piaraha-monina vaovao andraisan’ny olompirenena tsirairay ny andraikitra mifanandrify azy no tanjon’ny fanovàna.

Famokarana mifamatotra amin’ny tsena : fanoitra ho an’ny asa fihariana.

0
Misedra olana ny seha-pihariana landy amin'izao fotoana. Antony, mihavitsy ny landibe ary tsy maharaka ny filan'ireo mpanao asa tanana. Ilaina ny fiaraha-mientan'ny hahafahana mitahiry sy mampitombo ireo akora fototra hoy ny eo anivon'ny ministeran'ny fiompiana sy ny fambolena ary ny jono.

HCC : fitoriana 41 no voaray hatreto

0
Fitoriana miisa 41 hatreto no voaray eny anivon'ny HCC. Ny faha-28 may lasa teo no nanomboka nandray ireo fitarainana tamin'iny fifidianana Solombavambahoaka iny ny teo anivon'ny HCC.

Fanambadian’ny ankizy lahy tsy ampy taona : laharana faha-3 i Madagasikara

0
Eo amin'ny laharana fahatelo amin'ireo firenena 82 nanaovana fanadihadiana i Madagasikara, mikasika ny ankizy lahy tsy ampy taona miditra amin'ny fanambadiana, araka ny antontan'isa navoakan'ny UNICEF. Anton'ny firoboroboan'izay ny fahantrana . Fanadihadiana.

Lavanila – Vatovavy Fitovinany : tsy voahaja ny fotoam-piotazana

0
Mampitaraina ny mpamboly sy ny mpandraharaha ny halatra lavanila maitso any amin’ny faritra Vatovavy Fitovinany ankehitriny. Tsy voahaja ny fotoam-piotazana ka manahy ny faharatsian’ny vokatra ny mpamboly amin’ity taom-piotazana ity.

Fitsidihina PRM tany Frantsa : fifanarahana 4 lehibe no vita sonia

0
Efa tafaverina an-tanindrazana ny Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara rehefa nivahiny andro vitsivitsy tany Frantsa. Fifanarahana eo amin’ny sehatra ekonomika 4 lehibe no tontosa nandritra izany fitsidihina izany.