dimanche 28 avril 2024
Accueil 2019

Archives annuelles: 2019

Vokatry ny rivodaza Belna tao Baly : olona 3 maty , olona 2 tsy hita

0
Taorian’ny fandalovan’ny rivodoza Belna tany amin’ny faritra Boeny, mbola mizaka ny fiantraikan’izany ireo any an-toerana hatramin’izao. Mbola entanina hatrany raha ny fanazavana ireo mipetraka amin’ny toerana iva hiakatra amin’ny toerana avo .

Seranampiaramanidina Antananarivo : nahazo ny laharana voalohany tamin’ny « Routes Africa Awards »

0
Nibata ny amboara ary nahazo ny laharana voalohany amin’ny « Routes Africa Awards » ho an’ny catégorie seranampiaramanidina ahitana mpandeha latsaky 4 tapitrisa isa, ny seranampiaramanidina Antananarivo tantanin’ny Ravinala Airports . Isany nojerena tamin’ny alalan’ity fifaninana ity ny mikasika ny sehatra ara-baritra nandritry ny 12 volana.

CIPRES

0
Mila rafitra vaovao i Afrika hampitomboana ny mpiasa misitraka ny fiahiana ara-tsosialy. Io no nivoitra nandritra ny filankevitry ny minisitra faha-29 ho an’ireo firenena mpikambana eo anivon’ny CIPRES izay notanterahina teto Madagasikara nandritra ny 3 andro. Fotoana izay nifanakalozan’ireo firenena miisa 17 traikefa hampivoarana ny sehatry ny asa eto Afrika.

Fantotofana tany Andohjatapenaka

0
Nogiazin’ny fanjakana ary naato ny fanotofana tany eo Andohatapenaka. Ny tsy fananan’ny tompon’ny tany taratasy fahazahoan-dalana manototra no antony izany. Misy ny sazy tsy maintsy hampiharina raha ny fanazavana teo anivon’ny APIPA.

Karatany

0
Nahomby ny hetsika andrana amin’ny fanovana ny kadasitra ho karatany tamina fokontany 3 tao amin’ny kaominina Ampanotokana, Distrika Ambohidratrimo. Notontosaina nanomboka androany ny fizarana izany. Manodidina ny 4 000 no hisitraka karatany amin’ny alalan’ity hetsika ity. Etsy ankilany, notokanana androany ihany koa ny birao birao Ifotony Fananan-tany Ampanotokana.

Ministère justice

0
Ahiana ny hisian’ny Vide intsitutionnel eo anivon’ny Ministeran’ny Fitsarana ato ho ato, hoy ny minisitra tomponandraikitra. Antony, handeha hisotro ronono avokoa ny 2/3 ny mpitsara eo anivon’ny cours Suprême. Ny lalàna mamaha ny olana anefa anaovan’ireo Solombavambahoaka “Chantage” raha ny fanazavana hatrany.

MPTDN

0
Eo amin’ny tontolon’ny fampiroboroboana ny haitao ara-kajy mirindra. Nomarihina androany ny faha 25 taona nidiran’ny aterineto teto Madagasikara. Tsy mbola ny Malagasy rehetra anefa no misitraka izany fa ny ampahany ihany. Teboka maro ny mahatonga izany, fa isany goavana ny fahalafosan’ny sarany eto amintsika.

Antenimierampirenena – MAHTP

0
Lany teo anivon'ny Antenimierampirenena teny amin'ny lapan'ny Tsimbazaza nandritra ny fivoriana azon'ny be sy ny maro natrehina androany ny volavolan-dalàna hamatsiam-bola ny fanamboarana ny Tetezan'i Mangoky. Mitotaly 64.28 Tapitrisa dolara na 241 Lavitrisa Ariary ny vola hanatanterahana ny fanamboarana izay hitera-bokatsoa maro ho an'ny Vahoaka.

Réaction RATSIRAKA

0
Nanamafy ny voalazan’ny filohan’ny Repoblika Andry RAJOELINA ny filoha teo Aloha Didier RATSIRAKA ary nilaza fa tsy nisy nanampy tamin’ny fitakiana ireo Nosy Malagasy. Nilaza ihany koa ny filoha teo aloha fa zava-dehibe amin’ny fitakiana ireo nosy ireo ny fiaraha-mientan’ny Malagasy rehetra.

Article -7 Code de la communication

0
Hisy fiantraikany lehibe amin'ny zo fototry ny olompirenena amin'ny fahazahoam-baovao maro lafy ny fitsipahan'ny Solombavambahoaka ny andinina faha-7 amin’ny lalàna mifehy ny serasera miresaka ny fahafahan'ny mpanao gazety mamoaka vaovao miafina.