Accueil 2019
Archives annuelles: 2019
Hetsika eny amin’ny Parvis Analakely : manelingelina ny fiainana andavanandron’ny maro
Faty antoka ho an'ny mpivarotra, fitaintainana sy fanelingelenana ho an'ny olontsotra. Izay no vokatry ny hetsika tarihin'ireo mpiara-dia amin'ny kandidà Ravalomanana eny amin'ny Parvis Analakely, raha ny fanehon-kevitr'ireo olompirenena teny an-toerana androany.
Firongatry ny fanorenena tsy ara-dàlana : tsy manome fanazavana ny kaominana
Mbola tsy nahitana fandraisana andraikitra ny mikasika ireo fanorenena tsy ara-dalàna notaterina teto amin’ny fampahalalam-baovao. Tsy mahatapaka ahitra amin’ny fandraisana fepetra eny ifotony ny boriborintany raha ny fanazavana. Fandroahana ankilany no nasetrin’ny teo anivon’ny kaominina ny mpanao gazety.
Tsenan’ny Mahamasina : tsy mandeha ny varotra
Nangina tsy toy ny mahazatra ny tsena teny Mahamasina androany. Noho ny toe-draharaha politika misy eto amin'ny firenena sy ny tsy fahampian'ny fahefa-mividin'ny olona no anton'izany, raha ny fanadihadiana natao teny an-toerana.
Fanadihadiana : Fitahiantsoa Miora
HCC : nametraka fitoriana miisa 73 ny mpanohana an’i RAJOELINA Andry
73 amin’ireo fitoriana miisa 305 voaray teny Ambohidahy tamin’ny alatsinainy faha-31 desambra lasa teo no avy amin’ny mpanohana ny kandidà RAJOELINA Andry. Raha ny loharanom-baovao, ny fividianana olona hijoro ho vavolombelona mpandainga tamin’ny faritra maro, ny fanaovana tery sy fanimbazimbana rafitra mpikarakara fifidianana mialohan’ny famoahan-bokatra ofisialy ny santionany amin’ireo fitoriana ireo. Fanadihadiana : RAHARISON Andry
HCC : atao tsara ambina
Mpitandro filaminana maro no ahetsika andro aman'alina miaro ny fitsarana avo momban'ny lalàmpanorenana noho’ny fisian’ny fikasana handoro sy hamotika azy.
Mbola Rajaonah : mitarazoka ny fanadihadiana
Mijanona tsiambaratelo tanteraka hatreto ny tohin’ny raharaha Mbola Rajaonah. Tsy fantatra mazava ihany koa ny tohin’ny fampiantsoana samihafa nataon’ny Bianco azy. Mitarazoka ny fanadihadiana. Fanadihadiana.
Faran’ny taona 2018 : nitombo ireo naratran’ny lozam-pifamoivoizana sy ny tsy fitandremana
Ny tsy fitandremana na ny accident à responsabilité civil sy ny lozam-pifamoivoizana. Izay no isany nanamarika ny faran’ny taona 2018 raha ny antontanisa azo teny amin’ny HJRA androany. Nitombo izany raha ampitahaina tamin’ny taon-dasa raha ny fanazavana azo androany.
Fitsenana ny taona 2019 : nampiana ny ora fiasan’ireo taxibe sasany.
Fitadiavam-bola sy fanampiana ny mpiara-belona amin'ny fankalazana ny fety. Maro amin'ireo mpanjifa no tsy manana fiara hahafahany mivezivezy nandritra ny fankalazana ny faran'ny taona. Antony mahatonga ireo Taxibe sasan-tsasany hiasa 24 ora ao anatin'ny 24 ora ny alin'ny 31 desambra 2015 lasa teo. Ireo zotra anatiny, miditra ao afovoan-tanana no nahitana izany, fa teo ihany koa ireo mampitohy an'Antananarivo sy Itaosy.