vendredi 03 mai 2024
Accueil 2020 février

Archives mensuelles: février 2020

Raharaha « Député Leva » : nankatoavin’ny HCC ny fangatahan’ny filohan’ny antenimieram-pirenena

0
Nankatoavin’ny fitsarana avo momban’ny lalam-panorenana ny fangatahan’ny avy eo anivon’ny antenimieram-pirenena manoloana ny toerana banga eo amin’izay andrim-panjakana izay. Nanambara ny filohan’ny antenimieram-pirenena androany fa mifanaraka tsara amin’ny fitsipika anatin’izy ireo izany. Etsy ankilany, ilaina ny fampiharana ny lalàna tena izy hoy ny filohan’ny AVG .

Vondrona Afrikana : nisokatra tamin’ny fomba ofisialy androany ny fihaonam-be faha-33

0
Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy androany ny fihaonam-be faha-33 n’ireo mpitondra fanjakana sy lehibe mpikambana amin’ny governemanta samihafa, mikambana ao amin’ny vondrona Afrikana, tontosaina any Addis Abeba ; izay natrehan’ny Filohan’ny Repoblika Malagasy. Nandritry ny fitsidihana tany Ethiopie, nihaona tamin’ny praiminisitra Kanadiana ihany koa ny Filoha, ary naneho ny fahavononany hanohana an’i Madagasikara amin’ny lafiny maro i Canada nandritra izay. Isan’izany ny fisitrahana herinaratra, fampiroboroboan’ny fandraharahana sy ny maro hafa.

Polisy monisipaly CUA : namboly zanak’hazo 3500 tany Ankazobe

0
Ho fanantanterahana ny veliranon’Iarivo, nanantanteraka fambolen-kazo ny polisy monisipaly eo anivon’ny kaominina Antananarivo renivohitra. Fototra Zana-kazo miisa 350 isa no novolena tamin’izany.

Baolina lavalava : nandresy tamin’ny isa 28/27 i Cosfa

0
Lalao taranja Rugby, voahosotra ho tompondakan"i mada ny cosfa rehefa nandavo ny tfa anatihazo t@ isa 28/27.

Tetikasa – Bas Mangoky : ho tombontsoan’ny Malagasy hoy ireo Solombavambahoaka

0
Tsy fivarotana tanindrazana ary tsy manimba ny fiveloman’ireo mponina any Bas Mangoky ny tetikasa fanitarana ny toeram-pambolena any an-toerana izay hiarahan’ny fanjakana miombon’antoka amin’ny orinasa vahiny. Izay no fanambaran’ny voamieran’ny fambolena eo anivon’ny Antenimierampirenena izay nanatanteraka fidinana ifotony tany an-toerana.

« Code de bonne conduite » : isany hitsarana ireo minisitra amperin’asa

0
Isany fepetra noraisina hanatsarana ny fomba fiasa sy ny fomba fitantanana ataon’ireo mpikambana eo anivon’ny governemanta ny fametrahana « Code de bonne conduite » izay nosoniavin’ireo minisitra rehetra. Mety hiteraka fanesorana azy amin’ny toerany ny tsy fanarahana izany raha ny nambaran’ny minisitra mpitondratenin’ny governemanta.

FMI : « Ilaina ny fanatsarana ny fampidiram-bolam-panjakana »

0
Taorian’ny famaranana ny fampindramam-bola nomen’ny tahirim-bola iraisam-pirenena an’i Madagasikara, nahomby ny fiaraha-miasa raha ny fanazavan’ny solontena maharitry ny FMI eto Madagasikara androany. Teboka maromaro anefa no mbola mila fanatsarana, isan’izany ny fampitomboana ny fampidiram-bolam-panjakana.

Vondrona Eropeana : nandray anjara feno tamin’ny fanarenana ireo fotodrafitr’asa simba

0
Niteraka fahasimbana sy fahapotehana maro teto Madagasikara, indrindra ny tapany avaratra sy avaratra andrefan’i Madagasikara ny fandalovan’ilay andro ratsy farany teo. Nanetsika dispositif d’urgence ho an’ny asa fanarenana ny Vondrona Eropeana izay miara-miasa akaiky amin’ny ministera tomponandraikitra.

Seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato : nanao hetsika andrana

0
Ao anatin’ny fiomanana amin’ny fisokafan’ny serananam-piaramanidina iraisam-pirenena vaovaon’Antananarivo ny mpisehatra rehetra miasa eny an-toerana ankehitriny. Nisy araka izany ny hetsika andrana vaovao, izay notarihin’ny ekipa ORAT tao amin’ny Ravinala Airports ny zoma 31/01/2020, izay notronin’ireo manam-pahefana eto an-toerana.

« Panneau de signalisation » : misy mangalatra ireo vao napetaka

0
Misy mangalatra ireo Panneau de signalisation vao napetraka hoy ny talem-paritra Analamanga misahana ny fanajariana ny tany sy ny asa vaventy. Miteraka lozam-pamoivoizana maro anefa ny tsy fisian’izy ireny hoy ny mpampianatra mamily fiara nanaovana fanadihadiana.