Accueil 2020 juin

Archives mensuelles: juin 2020

Covid-19 : voafonja 41 ao amin’ny fonjan’I Toamasina no voa

0
Voafonja 41 amin’ireo 179 natoka-monina ao amin’ny fonjan’i Toamasina no fantatra amin’izao fa mitondra ny tsimokaretina Covid-19 raha ny fanazavan’ny tale jeneraly misahana ny fandrindrana ny fonja androany. Feno avokoa ireo toerana sy toeram-pitsaboana natokana andraisana ny mararin’ny Covid-19 any an-toerana. Vokany, ao amin’ny fonja ihany no hatoka-monina ireo voafonja ireo.

Brique écologique : vitsy ny mampiasa azy amin’ny fanorenena fotodrafitrasa

0
Manomboka vokarina eto amintsika ny biriky tsy maminmba tontolo iaianana na ireny antsoina écologique ireny. Orinasa madinika iray mampiasa olona 10 hatreto no misehatra amin’izany hatreto. Tany mena sy simenitra ny akora fototra ahazoana ny vokatra izay ahitana karazam-biriky 3 samy manana ny asany avy.

RAZAIHARIMANANA Nathalie : natao androany ny fitiliana ny aretina mahazo azy

0
Notanterahana androany ny fitiliana an’i RAZAIHARIMANANA Nathalie hahafantarana ny aretina mahazo azy. Fanaovana fitiliana, izay vokatry ny fifanampian’ireo malagasy tsara sitrapo, nahafantarana fa azo tsaboina tsara izy araka ny nambaran’ny mpitsabo.

Mpitatitra zotra nasionaly – rezionaly : hitohy ny hetsika raha tsy mivaly ny fitakiana

0
Hanohy ny hetsika ireo mpitatitra amin’ny zotra nasioany sy rezionaly mandra-pivalin’ny fitakian’izy ireo. Fototry ny fitakiana, ny hanokafana ireo lalam-pirenena hahafahan’izy ireo mitatitra olona na ny hanampiana azy ireo amin’izao fihibohana izao.

Fiatrehana ny Covid-19 : ampy ny fitaovana, hoy ny minisitry ny fitsinjaram-pahefana

0
Ampy hiatrehana ny valan’aretina covid-19 ny fitaovana eo ampelatanana raha ny nambaran’ny minisitry ny fitsinjaram-pahefana androany raha nanao tatitra teo anatrehan’ireo loholon’i Madagasikara izy. Aoka izay hoy izy ny fanaparitahana vaovao tsy mari-pototra izay manakorontana saim-bahoaka.

Raharaha ‘Bonbon sucettes’ : misokatra ny fanadihadiana

0
Nanomboka tamin’ity herinandro ity no nanokatra fanadihadiana mahakasika ny raharaha Bonbon Sucettes ny fitondram-panjakana Malagasy amin’ny alalan’ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena raha ny nambaran’ny minisitra mpisolo toerana androany. Miandry fankatoavan’ny governemanta kosa ankilany ny datin’ny fanadinam-panjakana izay efa natolotr’izy ireo.

Fomba fiasan’ny Solombavambahoaka : mampametra-panontaniana ny maro

0
Mampametra-panontaniana ny mpanara-baovao ny fomba fihetsik’ireo Solombavambahoaka androany ny amin’ny fanemorana ny fananganana ilay kaomisionina manokana handinika ireo antontan-taratasy hanenjehana ireo olona ambony teto amin’ny firenena, izay voarohirohy tamina kolikoly sy tsy fanarahan-dalàna. Tsy fantatra mazava ny anton’ity fanapahan-kevitra noraisin’ireo maro an’isa androany ity.

Fifidianana solontena eny amin’ny CENI : nihemotra amin’ny fotoana manaraka

0
Nahemotra amin’ny fotoana manaraka izay tsy mbola voafaritra ny fifidianana izay ho solontenan’ny Antenimierampirenena eo anivon’ny CENI izay saika hotontosaina androany teny amin’ny CCI Ivato. Nohon’ny fangatahan’ny vondrona parlemantera IRD sy ny GPR ka nandraisan’ireo Solombavambahoaka fanapahan-kevitra no anton’ny fihemorana.

Tchad : nahazom-bokatra tsara ny CVO avy aty Madagasikara

0
Nahazom-bokatra tsara amin’ny fitsaboana ny valan’aretina Coronavirus ny covid organicstany Tchad ka niverina naka indray izy ireo tamin’ity androany ity teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato. HIsy ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena roa tonta amin’ilay« troisième protocole », ny fampiasana ny injection.

Filohan’ny Antenimierampirenena : misy mikonokonona hanala azy

0
Vonona hiala amin’ny toerany amin’ny maha filohan’Antenimierampirenena azy i RAZANAMAHASOA Christine raha misy ny fangatahana ataon’ireo Solombavambahoaka mahakasika izany raha ny nambarany androany. Ny fanesorana amin’ny toerana ny filohan’Antenimierampirenena izay ahenoana feo mandeha eny anivon’ny Antenimiera.