Accueil 2020

Archives annuelles: 2020

Fisorohana ny lozam-pifamoivoizana : hamafisina ny fepetra raisina

0
Manoloana ny famaroan’ny lozam-pifamoivoizana ateraky ny fitondrana moto, nambaran’ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimariam-pirenena androany fa hisy ny famolavolana volavolan-dalàna mikasika ny fampanarahan-dalàna ny moto. Ho dinihana raha toa ka tsy maintsy manana permis na fahazahoan-dalana mitondra vao afaka mitondra izany.

TETIKASA FANDROSO : nahazo fanampiana 20 tapitrisa sy 5 hetsy Euros i Madagasikara

0
Nahazo fanohanana ara-bola manodidina ny 20 Tapitrisa sy 5 Hetsy Euros avy amin’ny Vondrona Eropeana hanohanana ny sehatry ny fambolena sy ny fiompiana i Madagasikara. Araka ny fanazavana azo nandritra ny fampahafantarana ara-pomba ofisialy ny fanombohan’ity tetikasa FANDROSO ity, tsy latsaky ny 4 arivo ny tetikasana tantsaha ezahana hisitraka ny fanohanana.

MEDD : hirosoana ny fanatanterahana ny famoahana ny tahirin-kazo

0
Tsy maintsy hotanterahana ny famoahana ny tahirin-kazo tsotra ho an’ny mpitrandraka nahazo fahazoan-dalàna nanan-kery hatramin’ny 29 janoary 2019. Izay no namafisin’ny teo anivon’ny minisiteran’ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovainjafy androany. Hisy ny fepetra manokana ho fanarahamaso izany, indrindra ny mahakasika ny fifamezivezen’ny vokatry ny ala.

Oniversiten’Antananarivo : manomboka ny taom-pianarana 2019-2020

0
Manomboka amin’ity volana Novambra ity  ny taom-pianarana 2019-2020 vokatry ny fipariahan’ny valanaretina Covid-19. Fifandaminana isaky ny departemanta ny fanatratrarana ireo fandaharana rehetra.

LFI : mila hafainganina ny fanolorana azy ny solombavambahoaka

0
Efa tonga eny anivon’ny Antenimieram-pirenena ny volavolan-dalàna hifehy ny tetibolam-panjakana ho an’ny taona 2021. Tsy mbola voarain’ny solombavambahoaka izay handinika azy mialohan’ny fandaniana na ny fanitsiana samihafa ankilany izany araka ny fanadihadiana androany. Tokony hafainganina ny fanolorana azy ny solombavambahoaka hanamorana ny dinika sy ny fifandresen-dahatra ihaonany amin’ny fahefana mpanatanteraka momba izay, raha ny fanazavana hatrany.

Faritra Atsimo : mitombo isa ireo olona KERE sy ny faritra tsy ahitana rotsak’orana

0
Mitombo isa ireo faritra ahitana KERE any atsimon’ny Nosy vokatry ny tsy fisian’ny rotsak’orana tao anatin’ny volana maro. Isan’izany ny nitranga tao Tsivory ny herinandro lasa teo. Olona mihoatry ny 5000 no niakatra ao an-tampon-tananan’i Tsivory ary nilaza fa tsy misy  ho hanina intsony.  

CIM : nisy ny lamina vaovao napetraka

0
Tsy tokony hisy intsony ny filaharana amin’ny fikarakarana taratasy eny amin’ny CIM Ambohida. Manomboka izao, araka ny lamina napetraka, tsy maintsy amin’ny alalan’ny Rendez-vous na fakana fotoana no ahafahan’ny olona tonga eny an-toerana mikirakira taratasy familiana fiarakodia.

Mpitondra « moto » : tokony hanana « permis de conduire » avokoa

0
Tokony hanana fahazon-dalana hamily avokoa ireo mpitondra  « moto » rehetra hampihenana ny lozam-pifamoivoizana raha ny fanadihadiana natao tamin’ity androany ity. Maro amin’ireo moto voasoratra ho latsaky ny 50CC amin’ny papier no tsy arak’izay ny tanjany fa novaina hoy ny fanehon-kevitry ny « mécanicien ».

Fandaniam-bolan’ny minisitera : ilaina ny fametrahana ny laharam-pahamehana

0
Ilaina ny fametrahana ny laharam-pahamehana amin’ny fandaniam-bola eny anivon’ny minisitera isan’isany indrindra amin’izao fotoana fiatrehana ny fipariahan’ny valanaretina Covid-19 izao. Tsy tokony hisy ny fandanidaniam-bola hoy ny mpandinika fiainam-pirenena nanaovana fanadihadiana. Azo itodihana ihany koa ny “réaménagement budgétaire “ .

1 Novambra : maro ny tonga nanati-boninkazo teny amin’ny Fasan’Anjanahary

0
Olona maro no tonga nihazo ny fasan-drazana androany voalohan’ny volana novambra. Isany tomefy olona ny teny amin’ny Fasan’Anjanahary nanaovana fanadihadiana. Saika ny salan-taona rehetra no tazana nitondra ny mari-pahatsiarovana sy nangata-tsodrano tamin’ireo razam-be. Ankoatr’izay, maro ihany koa no nanararaotra nijery ny fanamboarana tokony hatao amin’ny fasany androany.