vendredi 17 mai 2024
Accueil 2020

Archives annuelles: 2020

Antenimierandoholona : namoaka taratasy mihidy teo amin’ny pejy facebook

0
Tsy nisy ny fahampafantarana azy ireo mialoha hoy ny filohan’ny Antenimierandoholona ny mahakasika ny fanesorana ireo mpitandro filaminana teo amin’ity andrim-panjakana ity omaly. Ankilany, tsy azao ekena hoy ny sekreram-panjakana miadidy ny zandariamriam-pirenena ny fihetsika nataon’ny Antenimieran-doholona namoaka taratasy confidentiel teny amin’ny pejy Facebook an’ity andrim-panjakana ity.

Kalitaon’ny lalana : hampanarahana ny fenitra, hifanaraka amin’ny fiovan’ny toetr’andro

0
Hampanarahana ny fenitra, ary hifanaraka amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro ny fanamboaran-dalana eto Madagasikara, araky ny tetikasa NIRI-PG. Hisorohana ny fatiantoka ateraky ny loza voajanahary ity tetikasa ity raha ny fanazavana. Androany no nosokafana tamin’ny fomba ofisialy ny atrikasa  fankatoavana azy. Tanjona ny hanamafisana ny kalitaon’ny fotodrafitrasa toa ny lalana.

Claudine Razaimamonjy : mangataka ny fampitsaharana ny saisie sy lavanty ny mpisolovava azy

0
Nahemotra amin’ny Alarobia faha-11 ny volana ny didim-pitsarana mahakasika ny fangatahana fampiatona ny fanaovana saisie sy lavanty ireo entana an’i CLAUDINE RAZAIMAMONJY nogiazina.  Tsy nihemotra ankilany ny fanatanterahana ny lavanty izay notanterahana nanomboka androany.

Famotsim-bola : raharaham-barotra no ahitana tranga be indrindra

0
Mbola anatin’ireo firenena arahi-maso hentitra na anaovana  suivi renforcé i Madagasikara momba ny ady manoloana ny famotsim-bola, kolikoly, ary ny fanodikodinam-polam-panjakana. Raharaham-barotra, izay ny 40% mifandray amin’ny resaka fandoavan-ketra no anaovan’ny SAMIFIN fanadihadiana ankehitriny. Maro ny ezaka tsy maintsy atao hanamafisana ny ady atao. Nisy androany ny fiofanana ireo mpisehatra niarahana tamin’ny COMESA.

Minisitry ny Atitany : hanokatra fanadihadiana mahakasika ireo kara-panondro mitovy laharana

0
Nitondra fanazavana mahakasika ny fanambarana nataon’ny CENI momba ireo aharana kara-panondrom-pirenena mitovy laharana ny minisitry ny Atitany androany. Hiroso amin’ny fanadihadiana izy ireo raha ny fanazavana.

CENI : nitondra fanazavana mahakasika ireo laharana kara-panondro mitovy

0
Mazava ny voalazan’ny CENI nandritra ny valandresaka nifanaovany tamin’ny mpanao gazety androany, fa tsy misy fiantraikany amin’ny voka-pifidianana ny fisian’ireo olona mitovy laharana kara-panondro. Efa nisy teo aloha ny tsy fahatomombanana mahakasika ny lisi-pifidianana tahaka izao ary ny hanatsarana izany indrindra no antony nanaovan’izy ireo ny tatitra ny zoma lasa teo.

Antenimiera : nanomboka androany ny fivoriana tsy ara-potoana

0
  Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy androany teny amin’ny lapan’ny Antenimierampirenena ny fivoriana tsy ara-potoana atrehin’ireo solombavambahoaka sy ny fivoriana tsy ara-potoana ho an’ireo Antenimierandoholona. Ny fankatoavana ny didy hitsivolana noraisin’ny filohampirenena no lahadinika ao anatin’ity fivoriana ity.

Fifidianana kaominaly : miisa 488 ireo fitoriana voarain’ny filankevi-panjakana

0
Raha toa ka ny faha-9 Aprily ho avy izao no fotoana farany handrasisana ny fitoriana mahakasika ny fifidianana kaominaly, hatramin’ity androany ity tafiakatra 488 ireo fitoriana voaray manerana ny faritany 6 eto Madagasikara. Mety hanova ny voka-pifidianana efa nisy ny fanapaha-kevitra raisina aorian’ny fijerena ireo fitoriana voaray ireo hoy ny teo anivon’ny fitsarana.

Hetra sy fadintseranana : tsy hijerena tavan’olona ny fampiharana lalàna

0
Nitondra fanazavana mahakasika ny raharaha Claudine RAZAIMAMONJY sy Mbola RAJAONAH ny teo anivon’ny DGI sy ny Douanes. Ireto farany izay nanamafy fa mahatratra 1250 Miliara Ariary ny volan’ny fanjakana amin’i Mbola RAJAONAH vokatry ny fampiasana hosoka teny anivon’ny fadintseranana, ary 59 Miliara Ariary, miampy sazy ny an’i Claudine RAZAIMAMONJY, hetra tsy voaloa.

« Inclusion financière » : ambany ny taha ho an’i Madagasikara

0
Isan’ireo firenena ahitana taha ambany indrindra aty Afrique Subsaharienne amin’ny resaka finance digitale na ny fampiasam-bola amin’ny alalan’ny elektronikana toa ny amin’ny finday i Madagasikara. Sakana tsy mampandroso anefa io ary miteraka fahaverezan’ny vola amina miliara maro eny anivon’ny fanjakana. Misy ny paik’ady hampiroboroboana ity sehatra ity, araky ny nivoitra androany nandritry ny atrikasa notontosain’ny Banky foiben’i Madagasikara sy ny IFC.