Accueil 2021

Archives annuelles: 2021

Fotodrafitrasa amin’ny lalam-pirenena : maro no manimba azy

0
Mateti-mitranga eny amin’ny lalam-pirenena samihafa manerana ny Nosy ny fangalarana singa sy fanimbana fotodrafitrasa iombonana. Isany nahitana izany ny tany amin’ny lalam-pirenena faha-34, faritra vakinankaratra, nisy ny fangalarana aro fanina amin’ny tetezana. Manao antso avo ny tokony hanajan’ny rehetra ny fotodrafitrasa iombonanana manoloana io ny tompon’andraikitra.

Plan Emergence Madagascar : amin’ity volana ity no hanoloran’ny fanjakana azy

0
Nohamafisin’ny filoham-pirenena teny Iavoloha androany  fa amin’ity volana ity no hanolotra ny « Plan Emergence Madagascar » ny fitondrana ankehitriny. Io no isan’ny nisongadina nandritra ny fiarahabana tratry ny taona ny filoham-pirenena mivady natoan’ireo mpikambana eo amin’ny fitsarana avo momba ny lalam-panorenana, izay notarihin’ny filohan’ny HCC. Tonga nanome voninahitra ny filoha mivandy ihany koa ireo mpikambana eo anivon’ny Antenimeram-pirenena.  

Ankirihiry – Toamasina : trano 06 kilan’ny afo noho ny tsy fitandremana

0
Trano 06 no indray kilan'ny afo ny maraina tao Ankirihiry Toamasina. Firehetana niainga tamina trano fivarotana menaka fiara no niandohan'ny afo ka niitatra tamin’ireo trano 05 hafa manakaiky azy. Ny fisian’ny « huile vidange » izay nipoaka avy ao anaty daba fitahirizana no nampanano sarotra ny famonoana ny afo izay tsy voafehy raha tsy ora iray taty aoriana.

Vidin’entana : mbola midangana ny vary vokarina avy eto an-toerana

0
Miaka-midina ny vidin’entana eny an-tsena amin’izao fiandohan’ny volana janoary izao. Raha isany entana ilaina andavan’andro mbola nahitana fiakarany ny vary indrindra ny avy eto an-toerana, nidina ny vidin’ny legioma toy ny karaoty sy ny ovy raha ny fanadihadiana natao teny Anosibe androany.

Afrika Atsimo : nahatratra volamena milanja 73,5kg avy aty Madagasikara

0
Volamena milanja 73,5 Kg avy aty Madagasikara, nokasaina hahondrana any Dubai no saron’ny mpiasan’ny fadintseranana tao Afrika Atsimo niaraka tamina olona 3. Hatreto olona iray no voasambotry ny mpitandro filaminana sy ny fadin-tseranana Malagasy. Mampametra-panontaniana ny nahatafavoaka izao harem-pirenena izao tany ivelany.

Taom-pianarana 2020-2021 : miroso amin’ny tapany faharoa ny fandaharam-pianarana

0
Maro amin’ireo sekoly eto Antananarivo sy any amin’ny faritra no miroso amin’ny tapany faharoa amin’ny fandaharam-pianarana taona 2020- 2021. Nisy fiatraikany tamin’ny fampinarana ny fametrahana lamina tamin’ny tapany voalohany noho ny valan’aretina saingy tsy maintsy vitaina avokoa ny fandraharam-pianarana raha ny fanazavan’ireo tompon’andraikitra.

Fambolen-kazo 2021 : tsy mbola fantatra ny fotoana hanombohana ofisialy

0
Tsy mbola fantatra hatreto ny fotoana hanokafana amin’ny fomba ofisialy ny taom-pambolen-kazo ho an’ity taona ity, na izany aza efa vonona ireo tanin-janakazo manerana ny Nosy. Hampiavaka ity taona ity hoy ny tomponandraikitra eo anivon’ny minisiteran’ny tontolo iainana, miankina amin’ny filàna isam-paritra ny karazan-kazo hambolena.

Taona 2021 : miandrandra fanovana ny vahoaka

0
Isan’ny teboka andrasan’ny vahoaka amin’izao fiandohan’ny taona 2021 izao ny fanaovan’ny filoha tombana sy ny fitsarana ireo mpikambana eo anivon’ny Governemanta. Ny filoha izay nanambara fa tsy maintsy hisy ny fijerena ireo mpikambana tsirairay avy amin’ny asa vitany, ny fahaiza-manao sy ny fahafahany manatanteraka ny Politika ankapoben’ny fanjakana araka ny vina sy ny fampanantenana nomena ny vahoaka Malagasy.

Tetezana Manambaro : mitohy ny fametrahana ny lalana mihodina

0
Ny faran’ny herinandro izao no nambaran’ny teo anivon’ny minisiteran’ny fanajariana ny tany sy ny asa vaventy fa hiverina amin’ny laoniny ny fifamoivoizana amin’ny RN13, eo amin’ny tetezan’i Manambaro, faritra Anosy. Mitohy ny fanamboarana ny lalana miodina amin’izao fotoana izao. Etsy ankilany, namafisin’ny tomponandraikiitry ny minisitera fa efa anatin’ny programan’asa amin’ity taona ity ny fanamboarana tetezana vaovao ho solon’ity tetezana simba ity.