dimanche 28 avril 2024
Accueil 2017

Archives annuelles: 2017

Fiakaran’ny vidim-piainana : mila vahaolana haingana

0
Tsy azo odian-tsy hita ary tsy azo ihodivirana intsony ny fiakaran'ny vidim-piainana eto Madagasikara raha ny fanazavan'ny mpaay toekarena iray. Antony, tsy mamokatra i Madagasikara fa mampitombo hatrany ny fanafarana entana, eo ihany koa ny fikorontanana nateraky ny fanontana vola vaovao fa indrindra ny tsy fisian'ny fanarahamaso eny ifotony. Tsy nisy nahomby hatreto ny vahaolana fohy ezaka napetraky ny fanjakana.

Teratany vahiny mivezivezy eto Antananarivo : hanorim-ponenana eto Madagasikara ?

0
Teratany vahiny maro amin'izao fotoana izao no mivezivezy eto Antananarivo renivohitra. Teratany vahiny izay azo heverina hanorim-ponenana eto Madagasikra raha ny loharanom-baovao voaray. Manodidina ny 80 izy ireo amin'izao fotoana izao raha ny antontan'isa.

Permis biométrique : hosoka sy famitahana ny Malagasy

0
Famitahana ny Malagasy. Izay ny azo amehezana ny permis biométrique naparitaka teto amintsika. Ny resaka kalitao no nolazain'ny avy eo anivon'ny minisiteran'ny atitany fa olana saingy raha ny fanandramana natao, tsy mitombina velively izany fanazavana izany. Tsy misy in'inona mivoaka rehefa jerena ny QR code amin'ireo efa miparitaka. Tsy nety nanome fanazavana intsony androany ny avy eo anivon'ny CIM sy ny minisiteran'ny atitany. Fanontaniana maro anefa no ilana valiny.

Lalàna hifehy ny fifidianana : mbola tsy hita popoka

0
Tsy hita popoka intsony ireo volavolan-dalàna 3 hifehy ny fifidianana. Manao be marenina amin’ny fitakian’ny fiarahamonim-pirenena sy ireo mpanao politika ny amin’ny tokony hampahafantarana ny olompirenenena ny votoatin’ireo ny mpitondra. Hatramin’ny omaly hariva, mbola tsy tonga eny amin’ny Antenimierampirenena ireo volavolan-dalàna ireo.

Inflation galopante

0
L’aspect économique et social de la vie à Madagascar continue à se dégrader. A peine ce mois de décembre entamé que le prix du carburant a une nouvelle fois augmenté. Une hausse qui vient alourdir les dépenses quotidiennes déjà pesantes des Malgaches, dont la majorité vit encore en dessous du seuil de la pauvreté. Par ailleurs, l’Ariary est constamment dévaluée face aux devises de référence comme le dollar ou l’euro. Au cours de ces six derniers mois, la situation socio-économique à Madagascar s’est considérablement dégradée. L’inflation n’a cessé de s’accentuer. La hausse du prix du riz, du carburant, des légumes et des produits de première nécessité ainsi que la mise en circulation du nouveau billet de 20 000 Ariary illustrent cette triste réalité. Cette situation suscite de nombreuses questions de l’opinion publique vu que le gouvernement, à de nombreuses reprises et par différents moyens, s’est engagé dans une démarche ayant pour but de maitriser cette inflation. Des mesures ont été prises pour maîtriser cette inflation selon les propos du Premier ministre. A cet effet, la quantité de riz importé a été revue à la hausse, la Banque centrale de Madagascar a également décider d’augmenter le taux directeur à 9.5%. Mais force est de constater que l’Etat a perdu le contrôle et qu’au lieu de songer à trouver des solutions efficaces et pérennes pour favoriser le redressement économique du pays, les dirigeants ont préféré opter pour des dispositions ponctuelles. Face à une telle situation, de nombreux acteurs sociopolitiques, à l’exemple des enseignants-chercheurs et les étudiants de l’université d’Ankatso n’ont pas manqué de tirer la sonnette d’alarme pour tenter de faire réagir le pouvoir en place. Toutefois, les solutions apportées par le gouvernement n’ont abouti à ce jour à aucun résultat concret. L’inflation continue de miner la société malgache. Malgré cela, il semble que le pouvoir en place ne privilégie pas les intérêts de la nation. Il enchaîne ainsi les participations à des rencontres internationales, les collaborations avec des investisseurs étrangers et les adoptions de lois qui n’ont aucune incidence directe sur le quotidien de la population. Actuellement, tous attendent l’arrivée de l’avant projet de loi sur le code électoral au palais de Tsimbazaza. Un texte qui ouvrira peut-être une porte sur un espoir de changement et de progrès, à travers une élection présidentielle en 2018.

Air Madagascar – Air Austral : notanterahina omaly ny fanaovan-tsonia pacte d’actionnaires

0
Tontosa omaly ny fifanaovan-tsonia ny pacte d' actionnaires teo amin'ny orinasam-panjakana Air Madagascar sy Air Austral. Fifanaovan-tsonia izay dingana farany eo amin'ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin'ny Kaompania roa tonta. Omaly ihany koa no nisy ny fivoriana voalohan'ny teo anivon'ny filakevim-pitantanana.

Lalàm-pifidianana: mbola tsy fantatra ny fotoana andefasana azy eny amin’ny antenimiera

0
Mbola tsy fantatra ny fotoana handefasana ny volavolan-dalàna momba ny fifidianana eny anivon'ireo antenimiera hoy ny praiminisitra, nandritra ny fampahafantarana ny programan'asam-panavaozana ny sehatry ny asam-panjakana sy ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana. Samy miandry izany avokoa ny mpanao politika sy ny firaisamonim-pirenena.

Antenimierampirenena : izay mety amin’ny fitondrana no laharam-pahamehana

0
Hifarana tsy ho ela ny fivoriana ara-potoana faharoan'ny antenimiera amin'ity taona ity. Fivoriana andrasan'ny antoko politika sy ny mpanara-baovao ara-politika andalovan'ny lalàna momba ny fifidianana. Lalàna hafa no nandalo sy nolaniana tao anatin'ny amehana nandritra izay fivoriana izay. Tsy voahaja anefa ny fotoana voafaritra andinihana ny lalàna sy andaniana ireo lalàna ireo raha ny fanehoan-kevitry ny solombavambahoaka nanontaniana.

Mpitatitra amin’ny lalam-pirenena faharoa: nanao fitokonana fanairana

0
Nanao fitokonana fanairana ny fitondram-panjakana omaly tontolo ireo mpitatitra sy mpampiasa ny lalam-pirenena faharoa iny. Hiverina amin'ny laoniny kosa ny asan'izy ireo manomboka androany. Hihamafy anefa ny hetsika raha tsy misy ny fandraisana andraikitry ny mpitondra fanjakana.  

SECES Antananarivo : manome fe-potoana 1 volana ny ministera mpiahy

0
Manome fe-potoana 1 volana ny ministeran'ny fampianarana ambony sy ny fikarohahna siantifika ny mpampianatra mpikaroka eo anivon'ny SECES Antananarivo hamaliana ny fitakian'izy ireo. Izay no nivoitra nandritra ny fihaonana teo amin'ny solontenan’ny mpampianatra mpikaroka sy ny tomponandraikitra avy amin’ny ministeran’ny fampianarana ambony teny Tsimbazaza omaly.