dimanche 28 avril 2024
Accueil 2017

Archives annuelles: 2017

« Dialogue politique Madagascar – UE » : noresahina tao ny HCJ sy ny ady amin’ny kolikoly

0
Noresahina nandritra ny «Dialogue politique Madagascar – UE »  fahaenina teny amin’ny lapan’Iavoloha omaly ny mbola tsy nananganana ny Haute Cour de Justice sy ny ady amin’ny kolikoly eto Madagasikara.

Volavolan-dalàna hifehy ny fifidianana Solombavambahoaka : nofoanana ny sazy fampiatona

0
Nofoanana tanteraka ao anatin’ilay vakiraokan’ny volavolan-dalàna hifehy ny fifidianana solombavambahoaka ny sazy fampiatona sy fampitsaharana azy ireo noho ny famadihana palitao sy ny tsy fahatongavana manatrika fivoriana.

Tetibola ifarimbonana: vitsy no mahalala ny fahombiazany

0
Tsy ampy ny fampahafantaran'ny ministeran'ny atitany momba ny Tetibola ifarimbonana eny anivon'ireo kaominina. Miantoka ny fampandrosoana io tetibola ifandrimbonana io ary mitombo avo roa heny ny tombatomban'ny tetikasa raha ny fanazavan'ny ben'ny tanàna iray.

EDITO

0
Tsy nafeninin’ny fitondrana Hery Rajaonarimampianina intsony ny faniriany hanova ny Lalàmpanorenana. Lainga nafafy tamin’ny vahoaka Malagasy no nilazana fa ny fandinihina ny votoatin’ireo volavolan-dalàna hifehy ny fifidianana no niantsoan’ny governemanta ireo parlementera. Fanovana Lalàmpanorenana izay efa nambaran’ny Malagasy maro sy ny Fianakaviambe iraisam-pirenena fa tsy fotoana hanaovana izany izao fa hiteraka tsy fitoniana.

Fanovàna Lalàmpanorenena : mikiry amin’izany ny mpitondra HVM

0
Voaporofo omaly nandritra ny fiantsoana indray ireo parlementera tetsy amin’ny Lapàn’ny Antenimierandoholona Anoskely, ny nambara teto amin’ny fampahalalam-baovaon’ny KOLO TV FM, fa ny hanovàna ny Lalàmpanorenena no tanjon’ny mpitondra amin’ny fiantsoana ireo parlementera fa tsy ny hampahafantatra ny votoatin’ny lalàna hifehy ny fifidianana.

SECES Antananarivo : hanao fitokonana fanairana 72 ora

0
Hanao fitokonana fanairana 72 ora ireo mpampianatra mivondrona ao anatin'ny SECES sampana Antananarivo Renivohitra, araka ny nambaran’izy ireo omaly. Antony mbola tsy voavalin'ny fitondrana hatramin'izao ny fitakiana nataon'izy ireo.

EDITO du 9 déc 2017

0
Ankoatran’ny 40 miliara Ariary natokana hikarakaran’ny Ceni fifidianana izay voasoratra ao amin’ny LFI 2018, dia mbola notoloran’ny Etazonia 1,2 tapitrisa dolara ny vaomiera mahaleo tena mikarakara ny fifidianana tamin’ity herinandro ity.Hatramin’izao na ny lalàna hifehy izany fifidianana izany tsy fantatry ny olompirenena izay votoatiny, ny endrim-pifidianana manjavozavo, fifidianana inona no hotanterahina ? Ny datin’andro tsy fantatra.

Cover Bande Originale: Nivoaka mpandresy i Mamy sy Koly

0
Norombahin'i Mamy sy Koly ny Cover Bande Original andiany voalohany izay vokarin'i Kolo TV Fm tamin'ity taona ity. Omaly no nanaovana ny famaranana teny amin'ny Alliance Française Andavamamba.

CIN : 1 200 Ariary ny sarany

0
1 200 Ariary ny sarany alohan'ireo izay hanao karapanondro ao amin'ny distrika Antananarivo I. Maro amin'ireo olona tonga eny an-toerana no miveri-maina. Antony, tsy 200 ariary araky ny nambaran'ny Praiminisitra no saran'izany. Manoloana izany, tsy hita ny andraikitra raisin'ny lehiben'ny distrika sy ny ministeran'ny atitany.

CENI : Tondroy mazava ny andro hanatanterahana ny fifidianana Filohampirenena

0
Nambaran’ny Filohan’ny CENI omaly maraina teny Alarobia fa mila tondroin’ny governemanta ny daty mazava hanatontosana ny fifidianana Filohampirenena amin’ny taona 2018, hialana amin’ny safotofoto vokatry ny tsy famoahana izany.