dimanche 28 avril 2024

Archives quotidiennes: 27 avril 2018

Solombavambahoaka ho an’ny fanovana : nanatitra fitoriana teny amin’ny fitsarana Anosy

0
Tontosa omaly ny fanaterana ny taratasy fitoriana ireo izay nitifitra sy ny naniraka azy teny amin'ny lapan'ny fitsarana Anosy.

CENI : vonona hanao fifidianana anatin’ny 2 volana

0
Vonona hanao fifidianana ao anatin'ny fotoana fohy ny CENi raha izay no safidin'ny besinimaro hoy ny eo anivon'ny CENI. Mbola manankery ny lalàna nanaovana fifidianana teo aloha, ary mbola azo ampiasaina amin'ny fifidianana manaraka raha toa ka tsy mbola vonona ilay lalàm-pifidianana mampisy olana ankehitriny raha ny voalaza hatrany.

Solombavambahoaka – Malagasy Miara Miainga : vonona hijoro hatramin’ny farany ho an’ny vahoaka

0
Ny fametram-pialan'ny filohampirenena no tanjona ary tsy mihemotra ireo solombavambahoakan'ny fanovana raha tsy tratra izany hoy ny fanehoankevitry ny solombavambahoaka lany tamin'ny antoko Malagasy Miara Miainga tao Manandriana Fianarantsoa. Tsy hivadika amin'ny vahoaka ireo solombavambahoakan'ny fanovana raha ny fanazavana hatrany.

Fanelanelanana : tsy tokony hiditra ny vondrona iraisam-pirenena

0
Tsy tokony hitsabaka amin'ny fandaminana ny raharaha anatiny eto amintsika ny vondrona iraisampirenena na ny vondrona afrikana. Izay no fanehoankevitry ny mpisehatra ara-politika. Vokatry ny fanaovan-tsonian'ny fitondrana nifandimby ny fifanarahana tamin'ireo vondrona iraisam-pirenena ireo, sy ny tsy fahafantarana ny votoatin'izany no hahafahan'izy ireo miditra amin'ny fandaminana ny toe-draharaha eto Madagasikara hoy ny manam-pahaizana amin'ny fifandraisana iraisam-pirenena. Ankilany, hiditra amin'ny fanelanelanana ny toe-draharaha ankehitriny ny FFKM.