Archives quotidiennes: 27 juin 2018

26 jona 2016 – 26 jona 2018 : tsy nisy tohiny intsony ilay fipoahana nahafaty olona

0
2 taona katroka omaly ny nisian’ilay fipoahana nahafatesana olona 2 ary nandratrana 84 nanadritra ny tolakandron’ny fankalazana ny niverenan’ny fahaleovatena teny amin’ny kianjaben’i Mahamasina. Nokilasian’ny Filohampirenena ho asa fampihorohoroana iny tranga iny ary nilaza ny tsy hilefitra manoloana izany izy. Hatramin’izao anefa, tsy nisy tohiny intsony iny raharaha iny, izay mampametram-panontaniana ny mpanara-baovao ny anton’izany.

Niverenan’ny fahaleovantena : Feno 58 taona androany

0
26 Jona 1960 - 26 jona 2018, feno 58 taona omaly ny niverenan’ny fahaleovantenan’I Madagasikara. Omaly no nanatanterahana ny matso lehibe nataon’ny Foloalindahy teo amin'ny kianjaben'i Mahamasina ho fanamarihana izany, iz aynatrehan'ny vahoaka malagasy sy ireo tomponandriakitra ambony eto amin'ny tany sy firenena ary ireo mpiara miombona antoka vahiny.

Kabarin’ny filohampirenena : fizahozahoana no betsaka

0
Fanamarihana ny faha-58 taona nahazoan'i Madagasikara ny fahaleovantenany. Manoloana indrindra ny raharaham-pirenena ankehitriny, samy niandry ny kabarin'ny Filohampirenena ny rehetra, indrindra ireo nanatrika ny lanonana teny Iavoloha. Saika fizahozahoana no namaritra ny ampahany betsaka tamin'izany. Tsara sy namokatra ny 4 taonan'ny fitondrana HVM, hoy ny filohampirenena.

26 Jona 2018 : Samy nanao fankalazana ny kaominina tsirairay

0
Mikasika izay fankalazana ny fetin'ny fahaleovantena izay hatrany, ankoatry ny filatrona teny Mahamasina sy ny fankalazana teny Iavoloha, samy nanao fankalazana avokoa ny ankamaroan'ny kaominina nanaovana fanadihadihana. Fiarahamivavaka , fanomezana hasina ireo be antitra, fanomezana lanja ny tanora, ireo amin'ny ankapobeny no nentina nanaovana ny fankalazana fanadihadihana.