Archives quotidiennes: 14 juin 2018

VPM / MMM : misy misandoka nakana minisitera

0
Nosolokian’ireo Solombavambahoaka mpivadika palitao sy meriseneran’ny Fitondrana HVM ny anaran’ny Vondrona politika VPM / MMM noentina nakana minisitera amin’izao governemanta vaovao izao.

Kianjan’ny 13 Mai : nivadika ho hetsi-bahoaka ho an’ny fanovàna ny fitakiana atao

0
Nivadika ho hetsi-bahoaka ho an'ny fanovana na mouvement populaire pour le changement no iantsoana ny hetsika eny amin'ny kianjan'ny 13 Mai. Tsy ekena intsony hoy izy ireo ny tsy fanarahan-dalana ataon'ny mpitondra, ary tsy ekena ihany koa ny hisin'ireo ministra HVM eo anivon'ny govenrenemanta.

MEETFP : navoaka an-tsokosoko ny entana alina

0
Nisy namoaka an-tsokosoko omaly alina ireo entana teo anivon'ny ministeran'ny fampananan'asa, ny fampianarana teknika ary ny fampiofanana arakasa. Fanaka sy fitaovana nampiasaina teo anivon'ny ministerana no notanterina tamin'izany. Mbola mitohy hatrany ny fanaovana tantely afa-drakotra ny fananam-panjakana araka ny fanazavana.

CENI : tsy mbola namoaka tetiandrom-pifidianana

0
Raha toa ka nilaza ho vonona amin'ny fanantanterahana ny fifidianana ny CENI, tsy mbola namoaka ny tetiandrom-pifidianana indray izy ireo androany. Miandry ny fihaonana amin'ny governemanta vaovao indray raha ny fanazavana nomen’ny CENI omaly.