Archives quotidiennes: 15 juin 2018

Fitrandrahana volamena – Vohilava : mitrandraka an-tsokosoko indray ny vahiny

0
Miverina miasa an-tsokosoko indray ireo vahiny mitrandraka volamena ao amin'ny kaominina Vohilava Mananjary. Nanao fihetsiketsehana manoloana izany ireo vahoaka, tonga nijery ny zava-nisy ihany koa teo anivon'ny CNIDH.

Sendikan’ny mpiasa : tsy mila minisitra HVM

0
Mitovy ny takin'ireo sendikan'ny mpiasan'ny ministera maro amin'ny tsy tokony hanomezana toerana intsony ny HVM hitantana ministera. Fandrebirebena fotsiny ihany ny fanoloana olona raha mbola HVM no hapetraka eo, hoy hatrany ny fanazavan'izy ireo.

EPP Mangotroke – Toliara : tafo lanitra, tsy misy dabilio, mpampianatra tsy mandray karama

0
EPP Mangotroke, any amin'ny faritra Atsimo Andrefana, sekoly izay tsy misy efi-trano fa eo am-body hazo ireo mpianatra no mianatra. Enin-taona ihany koa ny mpampianatra azy ireo tsy nandray tambin-karama.

Tolom-bahoaka ho an’ny fanovàna : mitaky ny fialan’ireo minisitra HVM

0
Mitohy hatrany ny tolom-bahoaka ho an'ny fanovàna. Omaly, nanamafy ny tokony hialan'ireo minisitra HVM ireo solombavambahoaka sy ireo mpianatra eny amin'ny Anjerimanontolo isan'izany ny minisitry ny fampianarana ambony izay nanaovan’izy ireo diabe teny Tsimabazaza.

Tolom-bahoaka ho an’ny fanovàna : hizotra ho eny Mahazoarivo

0
Hizotra ho eny Mahazoarivo ny solombavambahoaka sy ireo vahoaka manao ny tolona ho an'ny fanovàna androany, araka ny nambaran'ny solombavambahoaka ho an'ny fanovana omaly teny amin'ny 13 May. Fitakiana ny hialan'ireo minisitra HVM rehetra no anton-dia eny Mahazoarivo androany, hoy izy ireo.