Archives quotidiennes: 27 juillet 2018

Ady an-tranon’ny HVM : mbola hisy ny fialana, hoy ny mpandinika

0
Efa nampoizina ary tsy hijanona eo. Izay no nambaran’ny mpandinika ny raharaham-pirenena manoloana ny ady an-trano sy ny fialana eo anivon’ny antokon’ny fitondrana ankehitriny. Tsy mahagaga ihany koa raha ny fanazvana manana ny fototra ijoroana amin’ny maha antoko politika azy ny HVM raha ny fanazavana hatrany.

Fanisana malagasy : novaina ny fomba famakiana azy

0
Novaina ny fomba famakiana ny tarehimarika amin'ny teny malagasy raha ny fikarohana navoakan'ny teo anivon'ny akademia malagasy. Atomboka amin'ny sokajin'isa lehibe indrindra ary miafara amin'ny sokajin'isa kely indrindra. Ho tombotsoan'ny be sy ny maro no anton'izany fanovana izany, raha ny fanazavana.

Valizy vita avy amin’ny hazo : asa-tanana mbola manana ny maha izy azy

0
Asa iray mahavelona ary ary mbola manana ny maha izy azy ny fanamboarana valizy gasy, vita avy amin’ny hazo. Ny fanamboarana izany indray no fanadihadiana fohy mahakasika ny asa madinika ho entina aminao any an-tokantrano amin’ity alina ity.

Fitakiana sendikaly :  hanamafy ny mpiampianatra, hanatsara ny mpitandro filaminana

0
Nanamafy ny fiverenan’ny fitakiana sy ny fitohizan’ny tolona ny fianakaviamben’ny mpampianatra ankehitriny. Araka ny fanazavana, tsy nahitam-bokany ny fihaonana teo amin’ny governemanta sy mpampianatra ny zoma lasa teo. Ankilany, nilaza ny hanova ny fijery ratsy momba azy ireo ny sendikan'ny mpitandro filaminana eto