Archives quotidiennes: 24 juillet 2018

Fanorenana ifotony : ny mpitondra ho laniam-bahoaka no hanatontosa azy

0
Manaitra ity hetsika tadiavin’ireo mpanao politika efa fanta-bahoaka ho tontosaina anio etsy amin’ny kianjan’ny 13 may ny amin’izay lazainy ho fanorenana ifotony. Hita mazava fa hetsika ho entina hanemorana fifidianana tsotra izao ity hetsika ity, satria ireo mpanao politika mivondrona ho amin’ity fanorenana ifotony ity sy izay manosika azy avy ato ambadika dia olona hita fa fadiranovana hiatrika izany fifidianana izany.

Hetsika – HFI : misy ambadika politika, hoy ny nanontaniana

0
Misy ambadika politika sy mety ho fatahorana ny fifidianana; io no fanehoan-kevitry ny mpanao politika, sy ny solombavambahoaka nanontaniana androany manoloana ny fisian’ny hetsika kasain’ny HFI na ny hetsiky ny fanavaozana ifotony ho atao iarahana amin’ny sendika anio. Ny fanatontosana fifidianana mialoha ny fotoana araka ny didin’ny HCC ihany no vahaolana eto amin’ny firenena, raha ny fanazavana.

Rallye du Mangoro : norombahan’ny ekipan’i Rivo sy Ando ny amboara

0
Tontosa soa aman-tsara ny 3 ème manche eo amin'ny championnat de magadascar des Rallyes 2018 eo amin'ny familiana fiarakodia. Norombahan'ny equipage Rivo sy Ando ny laharana voalohany tamin’ity fifaninana ity.

Fampianarana : tsy mbola niverina ny fampianarana androany

0
Tsy mbola niverina ny fampianarana ho an'ny sekolim-panjakana raha ny zava nisy teny amin'ireo toeram-pampianarana maro teto an-drenivohitra tamin'ity androany ity. Antony, tsy nanaiky sy tsy nankasitraka ilay fifanaovan-tsonia fifanekena teny amin'ny primatiora ny faran'ny herinandro teo, ny ankamaroan’ireo mpampianatra amin'ny tokony hiverenan’ny fampianarana omaly.