samedi 27 avril 2024

Archives quotidiennes: 10 mai 2019

“2ème Rallye de MOTUL”: tanterahina ny faha-17, 18, 19 may ho avy izao

0
Tontolon'ny fanatanjahantena eo amin'ny fanamoriana fiarakodia. Hotanterahina ny andiany faharoa ny Rallye MOTUL mandritra ny telo andro izay karakarain’ny FMMSAM. Mpandray anjara maro ihany koa no andrasana ao anatin'izany.

“Abrisbus” eto Antananarivo Renivohitra : ampiasaina tsy amin’ny asany

0
Tsy ampiasaina amin’ny antony nanaovana azy ny “abrisbus” eto Antananarivo. Zary lasa fipetrapetrahan'ny olona amin'ny tsy antony sy fivarotana entam-barotra maro samy hafa izany. Hany ka miteraka olana amin'ny fifamoivozana ny tsy fijanonan’ny fiara mpitatitra manoloana azy ireny.

« Parking »- Anosibe : tsy manaiky ny fananganana “Box” vaovao ny mpivarotra

0
Tsy manaiky ny fikasana hamadihana ho tsena ny fitoeran'ny fiara eo anoloan'ny tsena Anosibe ny mpivarotra eny an-toerana. Androany nisy ny fihetsiketsehana nataon'izy ireo hanehoana io fanoherana io.

Anosizato Atsinanana : mangataka ny hanomezana lalana azy ny fokonolona

0
Nanao fihetsiketsehana nanomboka omaly hariva ka nitohy anikeo maraina ny fokonolona monina eny Anosizato Atsinanana ny amin’ny hamerenana ny lalankely izay ivezivezen’izy ireo nisy namefy. Nilaza kosa ny solontenan’ny tompontany izay namefy ny lalankely fa afaka manao izay tiany hatao amin’ny taniny ny tompon-tany.

Ambodivona : trano fivarotana miisa 73 kilan’ny afo

0
Trano fivarotana vita amin’ny hazo miisa 73 no kilan’ny afo alina tetsy Ambodivona an-damosin’ny fivarotan-tsolika TOTAL. Tsy nisy ny aina nafoy, torak’izany koa ny olona naratra. Hatramin’izao, tsy fantatra mazava ny niatombohon’ny afo.