dimanche 28 avril 2024

Archives quotidiennes: 2 mai 2019

Lalana eto Antananarivo Renivohitra : mitohy ny asan’ny fitondram-panjakana

0
Mitohy ny asan'ny fitondram-panjakana amin'ny fanamboaran-dalana eto Antananarivo Renivohitra. Fanamboaran-dalana izay miatomboka eo amin'ny PK0. Fanadihadiana.

Fanjonoana : asa mbola mamelona ankohonana maro be

0
Samy manana ny antom-pivelomany ny isam-batan'olona eto Madagasikara. Na mpiasa tsotra, na mpiasa birao, na miankina na tsy miankina samy manana ny mahazatra azy hahafahana mamelona ny fianakaviana. Ny resadresaka nifanaovana tamin'ireo mpanjono ao Alaotra no ho entina aminao ao anatin'ity fanadihadiana ity.

Tsena Analakely : anjakan’ny kolikoly tanteraka

0
Anjakan'ny kolikoly ireo toeram-pivarotana eo Analakely. Mpivarotra tsy ara-dalàna am-polony amin'izao fotoana izao no milaza fa napetraky ny ben'ny tanànan'Antananarivo, manimba ny tsenan'ireo mpivarotra ara-dalàna. Tsy nahazom-baliny ny mpitantana ny tanàna manoloana izany.

Utop 2019 : tafakatra 1 450 ireo mpifaninana

0
Tafakatra 1 450 ireo mpifaninana handray anjara amin'ny lalao Utop, Ultra Trail ô Plateaux 2019 izay andiany faha 11. Fifaninanana ho fampiroboroboana ny taranja hazakazaka lavitra ezaka sy ny tontolon'ny fizahantany eto Madagasikara.

Fitsinjarampahefana tena izy : tsy mbola nisy teto Madagasikara

0
Tsy mbola nisy teto Madagasikara ny antsoina hoe fitsinjarampahefana tena izy. Antony nahatonga ireo faritra sasany hantsoina hoe tany lavitra andriana. Tsy maintsy harenina io fomba fijery izay miteraka kolikoly io, hoy ny minisitry ny Atitany sy ny fitsinjarampahefana.

Governemanta-Banky Iraisampirenena : namaritra ny laharam-pahamehana

0
Jery todika mikasika ny vokatry ny fiaraha-miasa teo amin’ny banky iraisam-pirenena sy i Madagasikara. Famaritana ny laharam-pahamehana mifanaraka amin’ny vinan’ny filohan’ny repoblika eo amin’ny lafiny sosialy, toekarena ary ara stratejika. Izay no nisongadina nandritra ny fihaonan’ny praiminisitra lehiben’ny governemanta niaraka tamin’ny filohan’ny banky iraisampirenena teny Mahazoarivo ary notronon’ireo mpikambana ao amin’ny governemanta.

Fihaonan’ny telo tonta : tapaka fa 200 000 Ariary ny karama farany ambany

0
Nandritra ny fihaonan’ny 3 tonta, ny fanjakana, ny mpampiasa ary ny mpandraharaha androany tetsy amin’ny lapan’Ambohitsirohitra notarihin’ny Filohan’ny Repoblika Malagasy no nanapahana fa 200 000 Ariary manomboka izao ny karama faran’ny ambany eto Madagasikara.

Vary mora : misy manodikodina

0
Misy manodikodina ireo vary mora ary misy kolikoly ataon’ireo mpaninjara eny ifotony hoy ny mpandrindra nasionalin'ny vary mora. Tamin'ity androany ity, nisy ny fanomezana toromarika ireo mpanjinjara eny ifotony, ary hampiharana ny lalàna ireo tratra manodikodina hoy ny tomponandraikitra.