dimanche 28 avril 2024

Archives quotidiennes: 7 juillet 2020

CCO Faritra Analamanga : natsangana androany, hifehezana ny valan’aretina Covid-19

0
Natsangana androany ny CCO eto amin’ny faritra Analamanga ahafahana manafaingana ny fandraisan’andraikitra manoloana ny fipariahan’ny valan’aretina Cororonavirus. Marolafy ireo mivondrona eo anivon’ny CCO Faritra ary mipariaka manerana ny Fokontany.

Tafika anabakabaka : 19 ireo mpianatra manamboninahitra mpanamory manaraka fiofanana

0
Miroso amin’ny fiofanana ara-tekinika sy fampiharana ireo mpianatra manamboninahitra mpanamory fiaramanidina handrafitra ny tafika malagasy amin’izao fotoana izao. Miisa 19 ireo mpianatra manamboninahitra mpanamory manaraka fiofanana tekinika eny ivato , ary 1 amin’izy ireo no vehivavy. Ampy tsara hoy ireo mpampiofana ny fitaovana hanaovana ny fiofanana.

PME : mavesatra ho azy ireo ny fihibohana tanteraka

0
Maro amin’ireo orinasa madinika sy salatsalany no niroso avy hatrany tamin’ny fandefasana ny mpiasa ho Chômage technique sy partielle taorian’ny fepetra fiverenana anatin’ny fihibohana mandritry ny 15 andro nanomboka androany. Antony, miverina ny fatiantoka sy ny vesatra vokatry ny fihibohana ho azy ireo. Raha ny fanazavana, tokony vahaolana miatraika mivantana amin’ny mpandraharaha no raisin’ny fitondram-panjakana.

Fampianarana : efa nahavita ny fandaharam-pianarana ny kilasim-panadinana

0
Efa vita ny fandaharam-pianarana ho an’ny kilasim-panadinana maro araka ny fanadihadiana natao, na izany teny anivon’ny sekolim-panjakana na ny tsy miankiana. Efa niroso tamin’ny famerenana ny mpianatra andro herinandro lasa izay. Na misy arak’izany ny fiatoan’ny fampianarana anatin’ny 15 andro, nambaran’ny tomponandraikitry ny sekoly fa afaka miatrika tsara ny fanadinam-panjakana ny mpianatra saingy ilaina ny fanamafisana ny famerenana.

Ady amin’ny Covid-19 : zava-dehibe ny fanajana ny fepetra ara-pahasalamana

0
Hipoka avokoa ny Hopitaly mandray an-tanana ny mararin’ny COVID-19 eto Antananarivo sy ny manodidina. Vitsy ankilany ny mpiasan’ny fahasalamana misahana ny marary hatramin’ny androany. Eo ihany koa ny tsy fahampiana ara-pitaovana. Isany fitarainana nambaran’ny filohan’ny sendikan’ny PARAMED eto Madagasikara ireo. Ilaina manoloana io ny fahamailona sy ny fitandreman’ny rehetra, indrindra ny fanajana ny fepetra ara-pahasalamana.