dimanche 28 avril 2024

Archives quotidiennes: 17 juillet 2020

CRCO Analamanga : ny fahatsapantenan’ny rehetra no handresena ny Covid-19

0
Nahazo fampitaovana avy amin’ny minisiteran’ny angovo sy ny akoran’afo hanatsarana ny ady amin’ny Covid-19 ny CRCO Analamanga. Zavadehibe amin’ny fanatanterahana ny asa anatin’ny vanim-potoana toy izao ny ny fampitaovana hoy ny Governoran’ny Faritra Analamanga, saingy ny fahatsapa-tenan’ny rehetra no handresena ny valan’aretina.

Fiarahamonim-pirenena : mitaky ny mangarahara amin’ireo tsenam-baro-panjakana

0
Tsy mbola misy hatreto ny valin’ ilay taratasy fangatahana ny fangaraharan’ny tsenam-baro-panjakana  sy ny famatsiam-bola enti-miady amin’izao valan’aretina izao, nalefan’ny fiarahamonim-pirenena eny anivon’ny ivon-toeram-pibaikona momba ny COVID-19. Ny fangaraharana sy ny tamberin’andraikitra no tena takian’ireo fiarahamonim-pirenena miisa 10 nanao ny fitakiana.

ONE Antaninarenina : misokatra ny fanadihadiana manoloana ny fahamaizana

0
Nanaitra ny be sy ny maro ny fahitana firehetana teny Antaninarenina omaly alina. Nirehitra ny ivon-toerana misy ny ONE nanomboka tamin’ny 9 ora alina ary tsy voafehy ny afo raha tsy afaka adiny 3 taty aoriana. Mbola tsy fantatra mazava hatreto ny tombam-bidin’ny fahamaizana sy ny mety ho fiantraikan’izany noho ireo antotan-taratasim-panjakana maro kilan’ny afo nandritra ny fahamaizana. Manoloana izany, nametraka fitoriana ny minisiteran’ny Tontolo iainana ary natomboka avy hatrany ny fanadihadiana.

ANDRIARIMAMANANA Landy nantenaina : havanana amin’ny hosodoko

0
Tovolahy iray avy ao Antsirabe, mana-talenta eo amin’ny sehatry ny sary hosodoko sy nyfanamboarana guitara vita gasy no hiaraka amintsika amin’ity anio ity. Nisy ny resadresaka nataon’nympanao gaeztin’ny KoloTV ao Antsirabe niaraka taminy.

Palais des Sports Mahamasina : hisokatra tsy ho ela, handray ireo mararin’ny Covid-19

0
Eo am-pamaranana ireo pitsopitsony amin’izao fotoana ireo tomponandraikitra amin’ny centre handraisana ireo mararin’ny Covid-19 eny amin’ny Palais des Sports Mahamasina. Hitovy amin’ny fitaovana hampiasaina eny amin’ny hopitaly no hisy ao an-toerana raha ny fanazavana ary ahazaka marary hatramin’ny 300 isa.

Toamasina : norarahana ranom-panafody avokoa ireo fitaovam-pitaterana

0
Ho fanohizana ny ady atao ami’nny fiparitahan’ny valan’aretina Coronavirus. Norarahana ranom-panafody avokoa ireo fitavam-pitateram-bahoaka ao Toamasina ao nanomboka androany, hisy ny fanaraha-maso ho an’ireo izay tsy manatanteraka izany raha ny nambaran’ireo tomponandraikitra.

Covid-19 : azo sokajiana 10 ny tandindonin-doza amin’ny valan’aretina

0
Tandindonin-doza amin’ny valan’aretina Covid-19 avokoa ny olona manana lalan-drà tsentsintsentsina na ny atahorana amin’ny RISQUE CARDIO VASCULAIRES. Azo sokajiana 10 mazava ny antony mahatonga izay raha ny fanazavan’ny mpitsabo nanaovana fanadihadiana ka isan’izany ny tosi-dra sy ny diabeta.