dimanche 28 avril 2024

Archives quotidiennes: 14 juillet 2020

Anovorano – Merimandroso : renim-pianakaviana maty nokapaina famaky

0
Trangam-piarahamonina, nitrangana vono olona  mahatsiravina tao amin’ny fokontany Anovorano, kaominina Ambanivohitr’i Merimandroso, distrikan’Ambohidratrimo ny alin’ny Asabotsy. Renim-pianakaviana 70 taona no maty nokapaina tamin’ny famaky ary natsipy tao anaty lava-drano taorian’izay. Efa mandeha ny famotorana ary takiana ny sazy mifandraika ho an’ny nahavanin-doza hoy ny fianakavian’ny maty. 

1990 – 2010 : 193 Tapitrisa Dolara farafahakeliny no voahodikodina teto Madagasikara

0
Vola fanampiana mitentina 193 Tapitrisa Dolara farafahakeliny no voahodinkodina teto Madagasikara raha ny fanadihadiana natao ny taona 1990 hatramin’ny taona 2010, araka ny tatitra navoaky ny Banky iraisam-pirenena. Ireo mpanao Politika teo amin’ny fitondrana, ireo nanana andraikitra ambony sy ny namany no voatonona matetika tamin’izany. Izy ireo izay nanan-danja teto amin’ny firenena ary nandairan’ny kolikoly indrindra, raha io tatitra io hatrany. 

Mpitsabo tsy miankina : hanampy amin’ny fitsaboana ny valan’aretina Coronavirus

0
Hirotsaka an-tsehatra hanampy amin’ny fitsaboana ireo mararin’ny Coronavirus ireo mpitsabo tsy miankina manomboka izao h fifanomezan-tanana manoloana ny ady sarotra lalovan’ny firenena iza. Ankoatra ireo mpitsab tsy miankina miisa 40 hiasa eny anivon’ireny Centre de traitement samihafa ireny, clinique manodidina ny 200 ihany koa no fantatra fa afaka mandray ireo marary rah ny nambaran’ny filohan’ny holafitry ny mpitsabo.

COVID-19 : tonga ny fitaovana hanatsarana ny fitsaboana avy amin’ny CHU La Réunion

0
Nigadona androany tetsy Ivato ny fitaovana hanamafisana ny ady amin’ny Covid-19 avy amin’ny CHU an’i La Réunion. Hanampy betsaka amin’ny fitsaboana ny marary ny fampitaovana hoy ny minisitry ny fahasalamam-bahoaka. Hitohy amin’ny lafiny maro ny fiaraha-miasa ka isan’izany ny fandefasana mpitsabo hanampy amin’ny fandraisana an-tanana ny marary eny anivon’ny toeram-pitsaboana, hoy ny masoihohon’i La frantsa.