samedi 27 avril 2024

Archives quotidiennes: 20 juillet 2020

TRANGA CORONAVIRUS : laharana faha 04 aty Afrika Atsimo i Madagasikara

0
Mitazona ny laharana faha 4 eo amin’ny olona voan’ny Coronavirus aty Afrika Atsinanana i Madagasikara raha ny tarehimarika navoaky ny Africa CDC. Laharana faha 5 kosa eo amin’ny olona sitrana ary faha 06 eo amin’ny olona namoy ny ainy vokatry ny Coronavirus hatrany.

ADY AMIN’NY CORONAVIRUS : nohamafisina ny fizarana CVO

0
Manoloana ny fihanaky ny valan’aretina Coronavirus, nohamafisina ny fizarana CVO, Aro-tava, Pulvérisateur sy ny maro hafa avy amin’ny fitondram-panjakana ka ireo faritra tena ahitana izany no natao laharam-pahamehana. Ireo mpikambana eo anivon’ny governemanta no nitsinjara nanatitra izany isaky ny faritra.

Mahamasina : tonga nitsidika sy nankahery ireo miaramila ny Minisitra tompon’andraikitra

0
Tonga nitsidika sy nankahery ireo miaramila ao amin’ny foibem-pirenena mandrindra ny fitsaboana Covid 19 ao Mahamasina ny minisitry ny fiarovam-pirenena. Ny ao Mahamasina izay ho tokanana tsy ho ela ary ho afaka mandray sy mirakaraka ireo mararin’ny Coronavirus.

ANDRIAMANJATO Liantsoa Bina : mahasitrana ny Coronavirus ny Covid Organics

0
Nijoro vavolombelona ny amin’ny fahasitranana azony tamin’ny fihinanana ny tambavy Covid Organics ny Solombavambahoaka an’Andramasina lany tamin’ny Antoko TIM ANDRIAMANJATO Liantsoa Bina. Ny tenany izay voan’ny Coronavirus, nitsabo tena teny amin’ny hopitaly, ary nisafidy ny CVO ho fitsaboana azy.

Toamasina : miroso ny asa fanamboaran-dalana

0
Miroso ny asa fanamboaran-dalana ao antampontanan’I Toamasina amin’izao fotoana ao anatin’ny fiaraha-miasa eo anivon’ny ministeran’ny fanajariana ny tany sy ny asa vaventy iarahana amin’ny eo anivon’ny kaominina Ambonivohitra Toamasina.

Tsenan’ny voninkazo : ireo izay tena mila sisa no manjifa

0
Tsy mandeha ny tsenan’ny vonikazo ary nihena ihany koa ny vidiny. Ireo voninkazo atao amin’ny faty na ny couronne sisa no mandeha eny amin’ireo mpivarotra voninkazo raha ny fanazavan’ireo mpivarotra nanaovana fanadihadina androany. 5 andro ihany anefa ny fitairizana ireny vonikazo ireny.