dimanche 28 avril 2024

Archives quotidiennes: 22 septembre 2020

Alzheimer : mitombo isa ary miha-tanora kokoa hatrany no voany eto Madagasikara.

0
Miha-tanora ary mitombo isa hatrany ny olona voan’ny Alzheimer na ny fikorontanan-tsaina eto Madagasikara. Ny fikorontanan-tsaina izay miteraka fikorontanana eo amin’ny ankohonana sy ny fiarahamonina ary adin-tsaina sy faharerahana ho an’ny fianakaviana mitaiza ny marary.

« Carte grise » : nanomboka androany ny fandraisana antontan-taratasy vaovao

0
Niverina nanomboka androany ny fandraisana ny antontan-taratasy vaovao momba ny Carte Grise eny anivon’ny Centre Immatriculateur. Ezahana ny hanafaingana ny fomba fiasa araka ny fanazavana. Isany andrasana amin’ny mpanjifa ankilany ny famenoana ny antontan-taratasy takiana araka ny tokony ho izy.

CFM : tsy ao anatin’ny tetim-bolam-panjakana ny «Réparation sy ny indemnisation»

0
Miankina amin’ny fametrahan’ny fitondrama-panjakana ny didim-panjakana mikasika ny Fond National de Solidarité na FNS, ny ahafahana manonotra ireo niara-boina nandritra ny krizy nanomboka ny taona 2002 raha ny nambaran’ny CFM. Hatreto tsy mbola voafaritra anaty ny tetim-bolam-panjakana ny fanomezana ny «  réparation sy ny Indemnisation » momba izany.

Filoha lefitry ny Ceni : tafapetraka ara-pomba ofisialy androany

0
Tontosa androany teny anivon’ny Fitsarana Tampony Anosy ny fihanianana nataon’ny filoha lefitra vaovaon’ny CENI. Isany fanontaniana voalohany nitondrany ny fomba fijery ny mahakasika ny fifidianana Loholon’i Madagasikara ny faha-11 desambra ho avy izao. Nambarany fa tsy tokony ho sakana ny mbola tsy fahavitanan’ny fifidianana kaominaly, izay voizin’ny maro ankehitriny.

Ambohimalaza : tsy maintsy manao « déchargement » ireo fiara manana lanja mihoatra

0
Manomboka rahampitso, tsy maintsy manao decharegement avokoa ireo fiara rehetra manana lanja mihoatra ary mety ho tonga hatrany amin’ny fampidirana fourrière ho an’ireo izay tsy manaraka izany. Io no fanapahan-kevitra noraisina taorian’ny zava-nitranga teny amin’ny Station de Pesage Ambohimalaza nanomboka omaly.