dimanche 28 avril 2024

Archives quotidiennes: 3 septembre 2020

Loholon’i Madagasikara : hihena ho 18 ny isany

0
Hihena ho 18 ny isan’ireo loholon’i Madagasikara etsy Anosikely amin’ny fotoam-piasana manaraka izao. Io no fantatra taorian’ny nahalany ilay volavolan-dalàna laharana 001-2020. Ahafahana manatanteraka fotodrafitrasa maro ny vola izay tokony ho karaman’ireo loholona amin’izao fampihenana izao raha ny nambaran’ny Solombavambahoaka.

Ampefiloha-Ambodirano : 100 mahery ireo tokantrano tsy nahazo ny sosialim-bahoaka

0
Tokantrano miisa 100 mahery, ao anatin’ny fokontany Ampefiloha-Ambodirano ankehitrinyno mitaraina nohon’ny tsy fisitrahan’izy ireo ny fanampiana avy amin’ny fitondram-panjakana. Nambaran’izy ireo fa misy amin’ireo efa nisitraka tosika fameno no mbola nahazony “ticket” mikasika ny sosialim-bahoaka ao antin’ity fokotany ity. Manoloana io, mitaky nymangarahara amin’ny fizarana ny fanampiana izy ireo.

Vohilava Mananjary : nanatanteraka fihetsiketsehana ireo mponina

0
Nopotehin’ireo vahoaka avy amin’ireo fokontany miisa 5 mandrafitra ny kaominina Vohilavaireo fitaovana izay ampiasain’ireo teratany vahiny manao fitrandrahana volamena any an-toerana nandritra ny hfihetsiketsehana omaly. Tsy hanaiky hatramin’ny farany nyhanohizan’ny fitrandrahana ireo vahoaka raha ny fanazavana.

Tsinjo fameno – Cnaps : 35 000 no efa nisoratra anarana hisitraka ny fanampiana

0
Mpiasa avy amin’ny orinasa tsy miankina manodidina ny 35 000 no efa nahafeno ny fepetraka afaka misitraka ilay fanampiana « tsinjo fameno » nambaran’ny filohan’ny repoblika hoyny tomponandraikitra eo anivon’ny Cnaps androany. Ankoatra izay, ny 24% ny vola natokanahanampiana ireo mpiasa no efa nampiasaina tamin’izany.

Voana Baobab : maro ireo mpanjifa tao anatin’ny fihibohana

0
Nandeha ny tsenan’ny voana baobab tao anatin’ny fihibohana raha ny fanazavan’ireo mpivarotraandroany noho ny vitamina maro hita ao anatiny. Azo atao ihany koa hoy ireo mpivarotra nymamadika ny voana baobab ho lasa yaourt.

Air Madagascar : ho fatatra amin’ny faran’ny volana ny drafi-panarenana

0
Eo am-pandrafetana ny drafi-panarenana ny kaompaniam-pitaterana an’habakabaka AirMadagascar amin’izao fotoana ireo mpiara-miombon’antoka sy teknisiana amin’izaofotoana. Ho fantatra amin’ny faran’ny volana izay business plan izay araka ny nambaran’nytale jeneralin’ny orinasa Cnaps androany.