Accueil 2021 février

Archives mensuelles: février 2021

Parking Antananarivo : ho raisin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra ny fitantanana azy

0
Hafindra ho raisin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra ny fitantanana ny Parking eto an-dRenivohitra, araky ny fanaovantsoniam-pamindram-pitantanana tamin’ireto farany sy ny Easy Park androany. Misy ny lamina napetraka amin’ny fanatanterahana izany. Namafisin’ny Ben’ny tanàna kosa  fa tsy hisy ny fiakaran’ny saran’ny parking io.

Zaridainan’Ambohijatovo : mikatona hatreto

0
Tsy afaka hanatontosana hetsika ny eo amin’ny zaridainan’Ambohijatovo ireo manao fangatahana ny amin’izany ato anatin’ny 7 volana fara fahakeliny, araky ny namafisin’ny Ben’ny tanànan’Antananarivo androany.  Io fe-potoana io izay fotoana hanantontosana ny asa fanamboarana ny zaridaina.

Polytechnique Vontovorona : nihamafy ny fifandonan’ireo mpianatra sy mpitandro filaminana

0
Nihamafy ny fifandonan’ireo mpianatry ny polytechnique Vontovorona sy ny mpitandro filaminana raha ny zava-nisy tamin’ity androany ity. Nampiasa fitaovana toy ny flesy sy pilotra ireo mpianatra, vokany, mpitandro filaminana telo naratra.

Lycée Moderne Ampefiloha : natao fitiliana ireo mpampianatra sy mpandraharaha

0
Taorian’ny nanaovan’ireo mpampianatra sy mpandraharana teny anivon’ny LMA antso fanairana ho an’ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena mahakasika ny firongatry ny Covid-19 eny an-toerana, mpampianatra sy mpandraharaha maherin’ny 50 androany no nanaovana fitiliana. Ny valin’ny fitiliana arak’izany no hamaritra ny fahafahan’izy ireo manohy ny fampianarana na tsia araka ny fanazavana.

Orinasa manao lalana : efa andalana ny famahana ny fitakian’izy ireo

0
Efa nisy ny lamina napetraka fa miandry ny fankatoavana aorian’ny fanadihadiana vao hiroso amin’ny fandoavana ny vola izay hanaovan’ireo orinasa mpikojakoja lalana fitakiana amin’izao fotoana izao. Io no valintenin’ny tahirimbolam-panjakana androany manoloana ny fitakian’ireo orinasa mpikojakoja lalana ireo.

Ady amin’ny Covid-19 : mety hisy ny lamina vaovao hapetraka

0
Ilaina ny fametrahana lamina vaovao, hisorohana ny fipariahan’ny Covid-19 amin’ny vanim-potoana mangatsiaka, araky ny nivoitra nandritra ny fivorian’ny mpikambana eo anivon’ny governemanta notarihin’ny praiminisitra, sy ireo mpisehatra samihafa androany. Namafisiny nandritra izay fa vonona ireo mpiara-miombon’antoka hanohana an’i Madagasikara amin’ny fanamafisana ny ady amin’ity valan’aretina ity.

Paramed : manome 72 ora ny fitondram-panjakana hamaliana ny fitakiana

0
Ampitsahatra ny fitokonana ireo Paramed ary manome 72 ora ny fitondram-panjakana hamaliana ny fitakian’izy ireo. Miandry ny fanataterahana ny fampanantenan’ny minisitera mpiahy kosa ireo mpianatra mpitsabo eny amin’ny oniversiten’Antananarivo mialohan’ny andraisana fanapahan-kevitra.

Sekolim-panjakana : handray anjara amin’ny fandoavana ny karaman’ny mpampianatra ny raiamandreny

0
Hiverina handray anjara amin’ny fandoavana ny karaman’ny mpampianatra FRAM indray ny raimanandreny mampiana-janaka eny anivon’ny sekolim-panjakana. Io raha ny votoatin’ny naoty navoakan’ny teo anivon’ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena androany. Namafisin’ny tomponandraikitra ankilany fa tsy an-tery ny fandoavana ny latsakemboka momba izay.

Firavahana – Fenoarivo : mampiaka-peo ireo vahoaka noho ny faharatsian’ny lalana

0
Mikaikaika ireo vahoaka ao amin’ny fokontany Firavahana, Kaominina Fenoarivo manoloana ny faharatsian’ny lalana. Nomen’ny kaominina hanariana orinasa vahiny iray ranontany ny lalana nahatonga ny fahasimbana hoy ny fanhon-kevitr’ireo mponina.

Faritra Atsimo – Androy : miteraka olan’ny famatsian-drano any an-oerana ny olan’ny AES

0
Tafiakatra manodidina ny  3 000 Ariary ny hanjifana 1 Bidon 20L ny rano amin’ny toerana maro anatin’ny Faritra Atsimo sy Androy, araka ny vaovao azo avy any an-toerana. Miteraka olan’ny famatsiana rano ny olana eo anivon’ny AES na ny Alimentation en Eau dans le Sud. Manao antso avo ny handrosoana vahaolana manoloana izany ny mponina any an-toerana, hiverenan’ny famatsian-drano amin’ny laoniny.