Accueil 2021 février

Archives mensuelles: février 2021

Sisin-tanin’i Madagasikara : fepetra maro no hapetraka hanamafisana ny fanaraha-maso

0
Aorian’ny fanadihadiana tontosain’ny PAC na ny pôle anti-corruption no ho fantatra mazava ny isan’ny mpiasan’ny faditseranana voasaringotra tamin’ilay raharaha fanondranana volamena milanja 73,5kg an-tsokosoko. Amin’izao fotoana izao, nambaran’ny tale jeneralin’ny faditseranana fa maro ny fepetra hirosoana entina hanamafisana ny fanaraha-maso ny sisin-tanin’i Madagasikara

Ambanin’i Manjakamiadana : trano 440 eo ho eo no tandindomin-doza

0
Trano manodidina ny 440 tafo ary mponina manodidina ny 2.000 no tandindin-doza eny ambanin’ ny Manjakamiadana amin’izao fotoana izao ny amin’ny mety ho fihotsahan’ny tany sy ny vato be eny an-toerana raha ny nambaran’ny BNGRC androany. Nidina ifotona nanao fanentanana ny amin’ny tokony hialan’ireo mponina eny an-toerana ny tomponandraikitra tamin’ity androany ity.

Faritra atsimo andrefana : mahazo vahana ny vaky fasana

0
Mahazo vahana tato anaty ny volana maro ny trangana vaky fasana any amin’ny faritra atsimo andrefana, isan’ireo lasibatra amin’izany ny fasan’ireo Mpanjaka raha ny nambaran’ny fikambanan’ny mpanjaka maroseragna Mahafaly. Manoloana izany, miantso ny tomponandraikitra hijery ny toe-draharaha ireo ampanjaka any an-toerana.

Grevy Paramed : mitohy ary miparitaka any amin’ny faritra ny fitakiana

0
Teny amin’ny ministera ny fahasalamam-bahoaka indray no nanohizan’ireo paramed teto Antanananarivo ny fitakiana nataon’izy ireo. Hatretro tsy mbola misy ny fifampidinihana tao amin’ny tomponandraikitry ny ministera ny ireo filohan’ny Sendikan’ny Paramed. Mbola hitohy ny tolona hoy izy ireo raha toa ka tsy mivaly ny fitakiana.

NTSAY CHRISTIAN : tokony hanaja ny demokrasia ny rehetra

0
Tsy maintsy alefa eny amin’ny fitsarana avokoa na iza na iza no voaroiroy  tamin’ny raharaha fanondranana volamena 73,5 kg sy devises, raha ny nambaran’ny praiminisitra lehiben’ny governemanta androany. Etsy ankilan’izay, manoloana ny antso sy ultimatum samihafa ataony mpanohitra, namafisiny fa tokony hanaja ny demokrasia sy ny safidin’ny maro an’isa ny rehetra, ary manana andraikitra ny hieno ny  vahoaka kosa ny mpitondra.

CUA : hohamafisina ny fanadiovana ireo lakan-drano amin’ny alalan’ny tetik’asa PIAA

0
Paik’ady hisorohana ny fiakaran’ny rano amin’ireo faritra samy hafa eto Antananarivo ny fanamafisana ny fanadiovana ireo lakan-drano, eo ihany koa ny fananganana fotodrafitr’asa maharitra izay manampy amin’ny fivoahan’ny rano. Manoloana izany, nanolotra fitaovana entina hanadiovana ireo lakandrano eto amin’ny tanan’Antananarivo androany ny teo anivon’ny AFD.

Orinasa Jirama : tokony hahafantatra ny laharam-pahamehana ny mpitantana

0
Tokony hojerena ny fomba fampiasana ny vola azon‘ny Orinasa Jirama hoy ny minisitry ny Angovo sy ny Akoran’afo androany mba hamaly ny filàn’ny vahoaka. Nambarany tamin’izany fa ny fanavaozana ireo foto-drafitr’asa efa antitra no tokony atao laharam-pahamehana hisorohana ny fahatapahan-jiro miverimberina.

Tanin’ny « Colon » : ilaina ny fananana lalàna mikasika azy ireo

0
Efa eny anivon’ny filankevitry ny minisitra ny tolo-dalàna mikasika ny tany ny colon na ny tany Voanjo ankehitriny. Zava-dehibe ny fandrosoan’ny dingana rehetra ho fampiharana izany, manoloana ny famaroan’ny tany colon izay raha ny fanazavana, entina hanatsarana ny sehatry ny fananan-tany. Ankoatra izay, nambaran’ny FNF na ny Fonds national foncier fa hatsaraina ihany koa ny fandrefesan-tany eto Madagasikara.

Paramed : nanomboka androany ny fitokonana, tsy misy ny « service minimum »

0
Nanomboka tamin’ity androany ity ny fitokonan’ireo Paramed rehetra manerana ny nosy. Tsy navelan’ny mpitandro filaminana niditra tao amin’ny  HJRA ireo mpanao fitakiana ka nanoloana ny vavahady no nanatanteraka izany. Tsy hijanona ny hetsika ary tsy misy ny « service minimum » hoy ny filohan’ny sendikan’ny Paramed androany.

Foto-tsakafo : karazany maro no azo ampiasaina eto Madagasikara

0
Karazan-tsakafo maro no azo ampiasiana eto Madagasikara hisorohana ny tsy fanjarian-tsakafo raha ny nambaran’ny teo anivon’ny ONN. Ilaina ny fandanjalanjana ny fihinana sakafo miovaova sy maro loko ahafana mahazo ny fahatomom-banana ara-pahasalamana indrindra ho an’ny fitombon’ny zaza.