Accueil 2021 février

Archives mensuelles: février 2021

Antsirabe : nitokona ihany koa ireo mpitsabo mpanampy

0
Toy ny teto Andrenivohitra, nanao ny Fitakiana ihany koa ireo syndicat ny Paramed ao Vakinankaratra.

Emmo-Far Antananarivo: hitohy ny fiambenana ireo toerana stratejika

0
Noho ny tsy fananana fahazoan-dalàna hitondra olona no nampidirana fourrière ireo fiara miisa 27 ny sabotsy teo hoy ny Emmo Far Antananarivo androany. Hitohy amin’ity herinandro ity ihany koa ny fanamafisana ny fiambenana amin’ireo toerana stratejika rehetra eto Antananarivo araka ny tapaka androany.

Volavolan-dalàna momba ny boky rovitra : tokony hatao laharam-pahamehana ny fandaniana azy

0
Isany fitarainana betsaka tonga eny anivon’ny fananan-tany ny famaroan’ny Boky rovitra. Entina hamahana ny olan’ny boky rovitra sy hanatsarana sehatry ny fananan-tany ny antom-pisian’ny volavolan-dalàna mikasika izay. Tokony atao laharampahamehana arak’izany ny fandaniana io eny anivon’ny antenimieran-doholona, raha ny fanazavana.

Ambatolampy-Tsinjoarivo : mandroso ny asa fanatsarana ny lalana mirefy 45 km

0
Miroso ny asa fanatsarana ny lalana mampitohy ny tanan’Ambatolampy sy Tsinjoarivo izay tanterahin’ny eo anivon’ny minisiteran’ny fanajariana ny tany sy ny asa vaventy ankehitriny. Tafiditra amin’izany ny fanamboarana ireo lalana sarotra hivezivezena ho fanamorana ny fivoahan’ireo vokatra any an-toerana. Nijery ifotony ny fandrosoan’ny asa tany an-toerana androany ny tomponandraikitra.

FEC : ho fantatra ny volana martsa ny famatsiam-bola ho sitrahana

0
Ny volana martsa izao no nambaran’ny minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola ho mety ahafantarana mazava ny vola ho sitrahan’i Madagasikara amin’ny alalan’ny FEC na ny facilité Elargie du crédit. Sehatra maro no hampiasana ny famtsiam-bola io raha ny fanazavana, ary hisy ny fanitsiana ny tetibolam-panjakana aorian’ny fisitrahana izay.

Raharaha volamena : mihazakazaka ny fivoaran’ny toe-draharaha

0
Mihazakazaka ny fivoaran’ny toe-draharaha momba ilay volamena 73,5kg sarona tatsy Afrika Atsimo. Nahazo alalana tamin’ireo tomponandraikitra isan-tokony ny fiaramanidina nidondra ilay volamena hoy ny haino aman-jery France 24 araka ny antotan-taratasy hitan’izy ireo manamarina izany.

GEM-FHORM : mangataka ny hisokafan’ny sidina rezionaly

0
Hiotra lavitra ny 3200 miliara Ariary ny mety ho fatiantoka eo amin’ny sehatry ny fizahantany amin’ity taona ity raha toa ka tsy hisy ny fisokafan’ny sisin-tany, araky ny nambaran’ny FHORM na ny fédération des Hôteliers et Restaurateurs de Madagascar. Manoloana io, manao antso avo amin’ny fitondram-panjakana izy ireo hanokatra ny sidina rezionaly sy ny aty Afrika manomboka ny volana aprily 2021 izao. Fepetra maro no afaka atao ahafahana manatanteraka izany anatin’ny fisorohana ny fipariahan’ny Covid-19 raha ny fanazavana.

Vary avy eto an-toerana : tsy manaja ny antanatohatry ny fanjifana ny mpivarotra

0
Maro ny antony mampiakatra ny vidim-bary vokarina avy eto antoerana. Isan’izany ny tsy fanajan’ny mpisehatra anatin’ny seha-pihariana vary ny Circuit de distribution indrindra ny mpanelanelana maka tombony mihompampana. Nandraisana fepetra avy hatrany ny mpisehatra tsy manara-dalàna ary maro ny tsena nakatona mandra-pamitana ny fanadihadiana.

TMP : sehatra maro no voakasiky ny fakana ny hetra 8%

0
Tsy ny tsenam-barom-panjakana ihany no voakasiky ny TMP na ny Taxes sur les marchés public. Hentitra ny fanarahamason’ny sampandraharahan’ny hetra manoloana ny fampiharana azy, na ny  fakan’ny fanjakana ny hetra 8% alaina amin’ny vola miditra. Sehatra maromaro no voakasik’izay.

Fametrahana lava-drano : vita ny dingana voalohan’ny asa teny Antsahamasina

0
Manomboka ny fametrahana ireo Lava-drano 46 izay hamokatra rano hatramin’ny 2 metatra tora-3 isan’ora eto Antananarivo sy ny manodidina. Efa andalam-pamaranana ny dingana voalohan’ny asa fandavahana raha ny eny Antsahamasina anatin’ny kaominina Ambohidrapeto. Hirosoana aorian’izay ny fametrahana ny toeram-panadiovana na ny UNITE DE TRAITEMENT ahazoana rano fisotro madio.