Archives quotidiennes: 7 juillet 2021

« Variant Delta » : efa tonga eto amin’ny faritry ny Océan Indien

0
Manahy ny fiantraikan’ny fipariahan’ny Variant Delta amin’ny mety ho fisokafan’ny lanitr’i Madagasikara ireo mpisehatra eo amin’ny tontolon’ny fizahantany. Ilaina hoy izy ireo ny fandraisana fepetra mifanaraka amin’izany ka tsy hahafaty ny andanininy sy ny ankilany. Nilaza kosa ny minisitry ny fahasalamam-bahoaka fa efa misy ny fandinihina ny mikasika ny fisorohona ny tsy fidiran’izay « Variant » izay eto amintsika.

CEPE : nilamina ary nizotra araka ny tokony ho izy ny fanadinana manerana ny Nosy

0
Nirindra araka ny tokony ho izy ny fanadinam-panjakana CEPE manerana ny nosy notanterahina androany raha ny nambaran’ny minisitry ny fanabeazam-pirenena. Voahaja amin’ny ankapobeny ny fepetra ara-pahasalmana ho an’ireo mpiadina, ary nilamina ny fandraisana azy ireo teny anivon’ireo ivon-toeram-panadinana samy hafa. Hanomboka androany kosa ny fitsarana ny fanadinana raha ny nambaran’ny tomponandraikitra. 51 taona moa ny zokiny indrindra tamin’ny nanala izany tamin’ity taona ity.

CELESTIN Jean Faly : 51 taona niatrika ny fanadinam-panjakana CEPE androany

0
Tsy natao hahamenatra hoy i CELESTIN Jean Faly ny niatrehany ny fanadinam-panjakana CEPE na efa 51 taona aza ny tenany. Ho fisondrotana grady eo amin’ny asa no antony lehibe nandrisika azy hanala ity fanadinampanjakana ity. Izy no fantatra fa zokiny indrindra niatrika ny fanadinam-panjakana CEPE tamin’ity androany ity.

Jly RAVALOMANANA Richard : tra-tehaky ny mpitandro filaminana ireo nikasa hamono azy

0
Lehilahy miisa 6 nikasa ny hifofo ny ain’ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandariamariam-pirenena no voasambotry ny vondrotobi-pileovan’ny Zandarimariam-pirenena Analamanga sampana misahana ny fikarohana heloka be vava. Ankoatra io, jiolahy miisa 4 izay nikasa hanafika mpandraharaha iray teto Antananarivo ihany koa no tra-tehaky ny mpitandro filaminana.

Parti communiste chinois : tokony ho fitaratra ho an’ny antoko

0
Tokony ho fitaratra ho an’ny antoko Politika eto Madagasikara ny Parti communiste chinois eo amin’ny fomba fiasa. Ity antoko Kaominista ity izay feno 100 taona ankehitriny ary isan’ny nahatonga ny firenena entim-bahoakan’i Chine ho isan’ny mandraso indrindra maneran-tany.

Fampianarana : anatin’ny fanarenana isika izao, hoy ny minisitra tompon’andraikitra

0
Anatin’ny fanarenana ny lafiny fanabeazana eto Madagasikara isika izao araka ny nambaran’ny minisitry ny fanabeazam-pirenena androany. Manoloana ny taha navoaky ny Unicef izay maneho ny fihenan’ny fahaizan’ny ankizy Malagasy amin’ny famakiana teny sy manoratra, nambaran’ny minisitra tompon’andraikitra fa mifototra amin’ny fanadihadiana natao ny taona 2018 ny taha nivoaka.