Accueil 2022 juin

Archives mensuelles: juin 2022

Tsy fisian’ny asa : isan’ny mpampirongatra ny fifohana zava-mahadomelina

0
Isan’ny mampirongatra ny fifohana zava-mahadomelina eto amintsika ny tsy fisian’ny asa raha ny fanadihadiana natao teny anivon’ny fiarahamonina. Ny Zava-mahadomelina izay misy karazany 03 eto amintsika ; ny mahery vaika na ny « Drogue à haut risque », ny antonony na ny antsoina hoe « Drogue à risque » ary ny malefaka na ny « Precurseur ».

Fakana an-keriny: olona roa nosamborina izay mpamatsy Cocaine eto Antananarivo

0
Tsy mitovy amin’ny fakana ankeriny mahazatra ireo tranga fakana ankeriny izay nifanesy teto Antananarivo tao anatin’izay herinadro izay. Mbola mapametram-panontaniana hatreto ny tanjon’ireo olon-dratsy manolona ny fakana ankeriny ireo tovovay amin’izao fotoana. Miantso amin’ny fiaraha miasa amin’ny olom-pirenena ankehitriny ireo mpitadron’ny filaminana manoloana ireo tranga hafahafa izay nifanesy.

Mangarivotra Moramanga : olona miisa 37 no niakatra fampanoavana

0
Olona miisa 37 no niakatra fampanoavana androany noho ny famonoana tamin’ny fomba feno habibibiana ny filohan’ny VOI ao Mangarivotra Moramanga. Tao anatin’ny roa taona io filohan’ny VOI io no efa nahita ny tranga tevy ala sy ny fitrandrahana hazoala amin’ny faritra arovana. Nangataka ny hitantanana izany izy no izao nisy namono izao.

Fizahantany : tsy maintsy miankin-doha amin’ny mpizahantany vahiny i Madagasikara

0
Mbola miankin-doha tanteraka amin’ny mpizahantany avy any ivelany ny fizahantay eto Madagasikara raha ny fanazavana, amin’izao efa manomboka misy fiovany ny fizahantany ao Andasibe. Na izany ary mbola maro ny fanatsarana izany hapetraka ao amin’ny distrika ny Moramanga hisotomana mpizahantany.

Fifidianana 2023 : maro ireo olom-pirenena misalasala andray anjara amin’ny fifidianana

0
Manahy amin’ireo fampanantenana izay ataon’ireo mpanao politika mandritra ny fampielezan-kevitra ireo olom-pirenena sasany ka antony mampisalasala amin’ny fandraisana anjara amin’ny fifidianna ho avy. Raha ny fanazavan’ny fiarahamonom-pirenena mpanara-maso ny fifidianana SAFIDY ireo tanora no vitsy anisa amin’ny fandraisana anjara amin’ny fifidianana izany.

Mararin’ny Covid-19 : mitombo hatrany ny tarehimarika

0
Miakatra isan-kerinadro ny tarehy marika izay avokan’ny ministeran’ny fahasalmana mikasika ireo olona voan’ny coronavirus eto Madagasikara. Raha ny fanadihadiana, zava-dehibe hatrany ireo fitandremana amin’ny sakafo ara-pahasalamana mba isorohona ny aretina indrindra amin’izao vanim-potoana ririnina izao na eo aza ny fahalalahana manoloana ireo fepetra ara-pahasalamna .

Fetin’ny Pentekosta : nitombo ireo marary tonga teny anivon’ny CHUJRA

0
Tafakatra 4 ireo namoy ny ainy raha toa 148 ireo tonga nizaha fahasalamana teny anivon’ny Sampana vonjy aina CHUJRA nandritran’ny fetin’ny Pantekosta raha ny nambaran’ny tomponandraikitra. Ny ratra nohon’ny tranga eny amin’ny fiarahamonina na ny accidents à responsabilité civile no mamaritra ny 49 amin’izany.

Alatsinain’ny Pantekoty : nilamina amin’ny ankapobeny ireo fety aman-danonana

0
Nilamina amin’ny ankapobeny ireo fety aman-danonana teto Antananarivo renivohitra sy ny manodidina tamin’ity Alatsinain’ny Pantekoty ity. Tratra ny tanjona napetraka hoy ny mpikarakara ny hetsika teny amin’ny Club Nautique Ivato, nanaovana ny fnadihadiana.

Fasan’ny karana : tokony havaozina ny toerana fa tsy hafindra eny Ambohimanambola

0
Mitaky ny hanavaozana sy hanajariana ny toerana efa misy azy ireo ankehitriny ireo mpitatitra eny amin’ny Fasan’ny Karana. Tsy ekena hoy izy ireo ny fampindrana eny amin’y toby fiantsonana Ambohimanambola ary tsy mahavaha olana na ho an’ny mpitatitra na ho an’ny mpandeha.

Parc Tsimbazaza : vitsy ny mpitsangatsagana

0
Vitsy ny mpitsangatsagana tonga tao amin’ny valan-javaboahary Tsimbazana tamin’ity androany ity. Nilaminany tamin’ny ankapobeny ny teny an-toerana, tsy nisy ihany koa ny filaharam-be. Antony teny ambony no natao fidirana, ary fivoahana ny teny amin’ny fidirana teo aloha.