vendredi 17 mai 2024
Accueil 2022

Archives annuelles: 2022

Fahavakisana fefiloha : ilaina vahaolana maharitra hisorohana ny faty antoka

0
Faty antoka goavana no nateraky ny fahavakisan’ireo fefiloha tao amin’ny distrikan’Atsimondrano. Ny ankamaron’ny mponina ao amin’ity distrika ity izay mivlona amin’ny famblena sy ny fiompiana ny ankamaroany. Manoloana io, tokony hisy vahaolana maharitra hisorohana ny fahavakisan’ireo fefiloha hoy ireo ben’ny tanàna.

RN2 : niverina amin’ny laoniny ny fifamoivoizana

0
Nisokatra afaka andehanan’ireo fiarabe nanomboka androany ny lalana any  Moramanga. Tafapetraka ny tetezana vonjimaika « pont bailey ». Nidina tany an-toerana nijery izany androany ny Filohan’ny repoblika. Nambarany tamin’izany fa omena vatsy tsinjo sy tosika fameno avokoa ireo izay tsy mpiasam-panjakana any an-toerana.

Village Voara Andohatapenaka : miisa 4 omaly ireo traboina tsaboina eny an-toerana

0
Miisa 4 ny traboina tratry ny Covid-19 ka manaraka fitsaboina eny amin’ny village voara omaly, araka ny nambaran’ny teo anivon’ny minisiteran’ny fahasalamana. Namafisina ny fandraisana an-tanana ireo traboina marary raha ny fanazavana. Mikasika ny fanaovam-baksiny kosa, nanomboka tamin’ny herinandro ny fanatanterahana ny dose boost manerana ny distrika maro eto amin’ny Nosy.

Fandalovan’ny andro Ratsy : 39 ireo namoy ny ainy, 101 461 ireo traboina

0
Raha ny antotanisa navokan’ny teo anivon’ny BNGRC , mitotaly 39 ankehitriny ireo maty raha toa ka 101 461 ireo traboina manerana ny Nosy tao aorian’ny fandalovan’ny andro Ratsy . Miisa 7 652 kosa ireo toeram-ponenena dibo-drano raha toa ka 58 ireo fantatra fa simba raha ny tatitra nivoaka androany atoandro. 

Traboina – Atsimondrano : hahazo fanampiana avy amin’ny fitondram-panjakana

0
Hahazo fanampiana avokoa ireo traboina rehetra  ao amin’ny distrikan’Atsimondrano hoy ny Filoham-pirenena nandritra ny fidinany tao amin’ity distrika ity. Hafainganina ihany koa ny fanaovana ny karam-pokontany vaovao amin’ireo kaominina manodidina an’Antananarivo toa ny ao Tanjombato ahafahan’ny vahoaka misitraka fanampiana.  

RAZAFINJATOVO Willy : nodimandry teo amin’ny faha-76 taonany

0
Very olo-manga ny tontolon’ny fiarovana, nodimandry teo amin'ny faha-76 taonany i Maître RAZAFINJATOVO Willy, fantatry ny maro amin'ny hoe Maître Olala. Raha ny angom-baovao, androany tokony ho tamin'ny 3 ora tolakandro no nindaosin'ny fahafatesana raha notsaboina teny amin'ny hopitaly manarapenitra Andohatapenaka ny tenany.

Atsimondrano : olona maherin’ny 1 120 tsy maintsy nafindra toerana nanomboka alina

0
Olona maherin’ny 1 120 no voatery novonjen’ny mpitandro filaminana tany an-tokantranony alina noho ny fiakaran’ny rano tao amin’ny distrikan’Antsimondrano ka isan’ny maro tamin’izany ny tao amin’ny fokontany Ankeniheny.

AMBANIN’AMPAMARINANA : mbola maro ireo mponina nisafidy hijanona

0
Mbola maro ireo mponina nisafidy hijanona amin’ireo faritra atahorana hihotsahan’ny vato sy tany eny Ambanin’Ampamarinana sy ny manodidina, na teo aza ny fanentanana nataon’ny BNGRC sy ny mpitandro filaminana ary ny eo anivon’ny Fokontany. Efa misy anefa ny toerana natokana ho azy ireo raha ny fanazavana ary tokony hiala avokoa hisorohana ny famoizana ain’olona.

Toerana fandraisana traboina – Mahamasina : hisy ny rindran-damina momba ny fizarana sakafo

0
Mitaraina ireo traboina raisina etsy amin’ny kianja Barea Mahamasina noho ny fahataran’ny sakafo omena azy ireo. Tsara ny toerana andraisana saingy ny fandaminana no tsy araka ny tokony ho izy raha ny fanazavana. Ny fisian’ireo mpanararaotra no isan’ny antony hoy ny tomponandraikitra.

Reniranon’Ikopa, Sisaony ary i Mamba : mbola mijanona ho loza mihatra na loko mena

0
Tsy mitsahatra miakatra ny reniranon’ny Ikopa, Sisaony ary i Mamba amin’izao, mbola mitazona hatrany ny loza mitatao na loko mena amin’ireo renirano  ireo raha ny tatitra avy amin’ny APIPA hatramin’ny hariva teo. Efa nanomboka omaly no nirosoana ny fanesorana vonjy maika ireo olona  amin’ny toeram-ponenana dibo-drano ka misy  ireo tsy mety miala amin’ny trano noho ny tsy fandriam-pahalemana.