Accueil 2022

Archives annuelles: 2022

Ankadifotsy : 5 tamin’ireo razana tototry ny tany no efa hita

0
8 ny fantatra fa tototry ny tany nandritra ny fiotsahana Parking iray tetsy Ankadifotsy androany maraina. Hatramin’ny fotoana nanaovana ny fanadihadiana tamin’ny 2 ora atoandro, 5 ny razana voasikotry ny sampana mpamonjy voina. Mitohy arak’izany ny fikarohana ny ambiny, izay anaty fahasarotana tanteraka noho ny fahavesaran’ny ranotany sy ny vato nianjera tamin’ireo trano tra-doza.

Fefiloha Vaky

0
Vaky ny hariva teo ny fefiloha manelanelana ny Kaominina Soavina sy Ampitatafika, isan’ny nahatonga ny fahavakisana ny tsy fitovian’ny hamafin’ny fefiloha raha ny fanadihadiana natao.

Ambohitrimanjaka : nohamafisina ireo toha-drano

0
Tsy marina ny filazana ny amin’ny fahavakisan’ny toha-dranon’Ampirihika ao amin’ny kaominina Ambotrimanjaka halina raha ny nambaran’ny Ben’ny tanàna  teny an-toerana androany.  Niverina ny fahasimban’ny  vavan’ny barazy  manondraka ny tanimbary ao Ampirihika, nisy manoloana izany ny fifanomezan-tanana teo amin’ireo fokonolona sy ny tomponandfraikitra ho fanamafisana ny toho-drano manakana ny reniranon’i Sisaony tsy handifitra ireo tanim-bary sy ireo tanàna manodidina.

Covid-19 : tsy vahaolana intsony ny fidirana amin’ny fihibohana

0
Tsy vahaolana indrindra ho an’ny toekaren’I Madagasikara intsony ny mety ho fidirana indray amin’ny fihibohana. Hitombo ny tsy an’asa ary hiakatra lavitra ny vidim-piainana. Ny fanamafisana ny fampitam-baovao mba hialan’ny rehetra amin’ny tsaho manakorontana ny saina no tokony himasoan’ny fanjakana raha ny fanazavana.

FIZAHANTANY ANOSY : nomena fiofanana ireo mpisehatra

0
Miisa 1019 ireo mpisehatra amin’ny fizahantany ao amin’ny Faritra Anosy nahazo fiofanana tamin’ny alalan’ny tetikasa MIATRIKA. Tetikasan’ny fanjakana Malagasy amin’ny alalan’ny PIC-2 natao hanarenana ireo mpisehatra amin’ny fizahantany vokatry ny Krizy nateraky ny COVID-19.

Organisme rattaché : miverina eny amin’ny Minisitera mifamatotra aminy ireo mpiasa

0
Nofoanana ireo Organisme rattaché mandany volam-panjakana  izay efa misy amin’ireo minisitera no manao ny asany, araky ny tapaka nadritry ny Filankevitry ny Minisitra  omlay.  Miverina eny amin’ny ministeran’ny fiaraovam-pirenena avokoa iroe mpiasa teo amin’ny OTME raha ny fanazavana, ho any ireo organisme rattaché miisa 3 miankina amin’ny Fiadidinana ny Primatiora miverina eny amin’ny ministeran’ny asa ny fampananana asa ireo mpiasa.

Banky iraisam-pirenena : naneho miharihary ny tsy fahaiza-mitantana eto Madagasikara

0
Foana avokoa hoy ny mpandinika fiainam-pirenena ireo fifanarahana rehetra amin’ny tetikasa vatsian’ny Banky iraisam-pirenena vola, taorian’ny fanasaziana navoakan’izy ireo mahakasia ny fanamboarana ny seranam-piaramanidina Ivato. Tokony handray fanapahan-kevitra ihany koa ny Fanjakana Malagasy amin’ny orinasa nanao kolikoly ary haseho am-pahibemaso ho fantatry ny rehetra hoy ny Transparency International.

Ambohibao Antehiroka : 04 mianaka no maty vokatry ny fihotsahan’ny tany

0
Olona 4 mianaka no maty noho fihotsahan’ny tany teny Ambohibao Antehiroka  ny Alarobia 05 janoary, tokony tamin’ny 9 ora alina, nandritry ny rotsak’orana naharitra.  5 mianaka izy ireo no niharan’ny loza, saingy avotra soa aman-tsara ny 1 tamin’izy ireo. Nananosarotra ny fitadiavana ny razana noho ny haizina.

Fanondranana volamena : malagasy 02 voasambotra tany Comores

0
Naiditra am-ponja vonjimaika omaly tany Kaomoro ireo 02 lahy voasaringotra tamin’ny fanondranana volamena an-tsokosoko 73kg. Efa nandefa ny  demande d’extradition tany amin’ny firenena nahatratrarana azy ireo ny minisiteran’ny fitsarana ahafahana manohy ny fanadihadiana.