Accueil 2022

Archives annuelles: 2022

Ampanotokana : tsizarizary ny foto-drafitr’asa momba ny fahasalamana sy ny fampianarana

0
Dian-tongotra an-kilometatra maro no ataon’ireo mpianatra hamonjy sekoly , sahirana ihany koa ireo marary mila fitsaboana noho ny fahantran’ny foto-drafitr’asa ao amin’ny Kaominina Ampanotokana, Distrikan’Ambohidratrimo. Manoloana izany, miantso ireo minisitera voakasika ny tomponandraikitra any an-toerana.

Rivodoza Ana sy Batsirai : mila jerena akaiky ireo faritra mamokatra voly fanondrana

0
Hisy fahabangana lehibe ny fanondranan eto Madagasikara, raha tsy misy paik’ady apetrakin’ny fanjakana ho an’ireo faritra manokatra voly fanondrana amin’ireo faritra voakasikin’ny rivodoza Batsiray sy ANA. Isany olana ihany koa amin’ny fiatrehana ny loza toy izany ny tsy fametrahana mazava ny fitsinjaram-pahefana mahefa sy tena izy.

Vaksiny : mitondra hery fiarovana sy mampatanjaka hoy ireo nahavita

0
Ho any ireo efa nahazo taona nahavita vaksiny , mahatsiro nitombo ny hery fiarovana ny mitombo hery izy iroe rehefa nahavita vaksiny. Efa miroso amin’ny fanaovana ny « dose boost » ireo efa nahavita ny vaksiny Jonson and Jonson. Manentana hatrany ny fanaovana vaksiny ihany koa ireo mpitsabo sy ireo fikambanana misehatra amin’ny fahasalamana.

Vokam-pikarohana Siantifika : ahafahana mitahiry sy manatsarana ny Tontolo Taza-maso

0
Tsy ampy ankehitriny ny fampiharana ireo voka-mpikaroana siantifika natao hanatsarana sy hampaharitra ny tontolo taza-maso eto Madagasikara raha ny nambaran’ireo mpikaroka. Anton’izany ny tsy fisihan’ny fampafantarana ireo antotan-kevitra azo tamin’ny alalan’ny fikarohana natao, eo koa ny tsy fahampihan’ny fifanankalozana traikefa eo amin’ireo mpisehatra isan’ambaratongany. Natomboka tamin’ny fomba ofisialy androany araka izany ny fametrahana ny Laboratoire Mixte International « paysage à Madagascar ».

RAZANAMAHASOA Christine : fanoherana tsy arahan’asa no misy eto

0
Tsy hita izay ataon’ny mpanohitra manoloana ny zava-misy eto amin’ny firenena ankehitriny hoy ny filohan’ny Antenimierampirenena androany. Fihetsika izay ahitana taratra fa fanoherana be fahatany no misy eto amin’ny tany sy ny firenena.

RN 2 : ny orinasa sy ireo teknisianina sinoa no tompon’antoka tamin’ny fanamboarana

0
Ny orinasa sy ireo teknisianina Sinoa no tompon’antoka tamin’ny fampitohizana, tao anatin’ny fotoana fohy ny lalam-pirenena faharoa, tapaka tao Moramanga. Izy ireo no niasa andro aman’alina ka nahafahavitan’ny Déviation sy ny Pont Beilley, ampiasan’ireo mpampiasa ny RN2 rehetra amin’izao fotoana.

Traboina : napetraka ny fandaminana vaovao tsy hahatara ny sakafo

0
Napetraka ny fandaminana vaovao tsy hahatara ny sakafon’ireo traboina miparitaka amina Site d’Hebergement miisa 91. Tonga ihany koa ankilan’izay ny kitay fanomezana avy amin’ny orinasa Fanalamanga handrahoana ny sakafon’ireo traboina ireo. Fotoana hifanomezan-tanana sy hiraisana hina izao, hoy ireo mpiara-dia amin’ny filoha teo aloha Didier Ratsiraka izay nanalotra fanampiana teny amin’ny BNGRC androany. 

Distrikan’Ambohidratrimo : ankoatry ny tanimboly, trano maro no nianjera vokatry ny orana

0
Ankoatra ireo tanimbary sy tanimboly, trano maro no nianjera vokatry ny andro ratsy farany teo tao amin’ny distrikan’Ambohidratrimo. Maro ny takaitra ary ho mafy ny fanarenana hoy ny solombavambahoaka izay miantso ny fandraisan’andraikitry ny  fitondram-panjakana.

Antananarivo : mitohy ny fanarina fako any anaty lakan-drano

0
Tsy misy fiovana ny fahatsetseman’ny lakan-drano  eto Antananarivo amin’izao raha toa ka tsy miala amin’ny fahazaran-dratsy ny rehetra. Androany raha ny hita,  tsy manary fako ao anaty  daba fanariana fako ny olona fa eny amin’ny lakan-drano. Manao ny fanadiovana hatrany ny tompon’andraikitra saingy ny toerana efa nodiovina ihany no tsy maintsy hiverenana.

Distrikan’Avaradrano : maro ireo traboina nefa tsy mbola nisy ny fanampiana avy amin’ny BNGRC

0
Isan’ireo nitondra takaitra vokatry ny fiakaran’ny rano teto Antananarivo ihany koa ny Distrikan’Avaradrano. Maro araka izany ireo traboina ankoatra ireo tanimboly aman’hektara dibo-trano, etsy ankilany tsy mbola nisitraka ny fanampiana avy amin’ny BNGRC sy ny fitondram-panjakana izy ireo.