vendredi 26 avril 2024

Archives quotidiennes: 3 février 2021

Filohan’ny Antenimierampirenena : azo enjehina araka ny lalàna ny solombavambahoaka mihoam-pefy

0
Namafisin’ny filohan’ny Antenimierampirenena mazava androany fa tsy voaaron’ny zo tsy azo enjehina ny solombavambahoaka mihoa-pefy amin’ny endriny maro. Tafiditra anatin’izany ny famingavingana na fivoizana lainga anaty haino amam-jery itaomana olona hankahala na hanozingozina fitondrana tsotra izao.

06 febroary 2021 : handray andraikitra ny mpitandro filaminana raha misy hanakorontana

0
Handray ny andraikitra feno ny mpitandro filaminana manoloana ny hetsika kasain’ny antoko mpanohitra hotanterahina ny Sabotsy izao. Efa mihomana amin’ny kisary rehetra ny eo anivon’ny Emmo na eto Antananarivo izany na amin’ny faritra hafa.

FMI : anatin’ny fifampiresahana mikasika ny FEC ny fitondram-panjakana ankehitriny

0
Miroso amin’ny fifampiresahana momba ny mety ho fisitrahan’i Madagasikara famatsiam-bola amin’ny alalan’ny fandaharan’asa FEC na ny Facilité Elargie de Crédit manaraka  indray ny fitondram-panjakana Malagasy sy ny FMI na ny Fonds Monétaire International ankehitriny. Ho an’ny mpahay toekarena, tokony hiompana amin’ny fanarenana ny toekarena izay tratry krizy noho ny Covid-19 ny fihindramam-bola ho tontosaina io.

Prefektiora : azo atao ny mamory olona mihoatra ny 50 raha voahaja ny fepetra ara-pahasalamana

0
Azo atao ny famoriana olona mihoatra ny 50 isa amin’ireo karazam-petim-pianakaviana sy ny any Ampiangonana raha toa voahaja ny fepetra ara-pahasalamana rehetra raha ny nambaran’ny teo anivon’ny prefektioran’Antananarivo androany. Na izany aza, misy ny fanarahamaso ataon’ny tomponandraikitra eny amin’ireo toerana hanatanterahina ny hetsika mikasika ireo fepetra ara-pahasalmana.

Fanorenana tsy ara-dalàna : miroso amin’ny fitsirihana ireo tompon’andraikitry ny fokontany

0
Manao fitsirihana ireo fanorenena tsy ara-dalàna ireo tompon’andrikitra eny anivon’ny fokotany tao aorian’ny voina niseho teny Anosizato Antsinana ny herinadro lasa teo . Mandalo ambaratonga maro izay vao mahazo ny fazohon-dalana hanangana trano ireo olona raha ny fanazavana.