vendredi 26 avril 2024

Archives quotidiennes: 2 juin 2021

Tahirin-kazo tsotra : afaka mitatitra ireo nahazo fahazoan-dalàna ara-dalàna

0
Faritra 05 amin’izao fotoana no afaka mamoaka ireo tahirin-kazo tsotra, tapaka talohan’ny Janoary 2019. Tsy mbola misy kosa ny fahafahana manetsika ireo hazo sarobidy eto amintsika, eo am-piandrasana ny fifampiraharahana amin’ny CITES, sy ny fametrahana ny Système de traçabilité.

Mpitaridia : andrasana ny fanafoanana ny fandoavan-ketra

0
Tsy vahaolana ho an’ny mpitari-dia ny fanemorana ny fandoavan-ketra araka ny tapaka nandritra ny filankevitry ny minisitra ny faha-26 ny volana Mai lasa teo. Mavesatra loatra ny fiantraikan’ny krizy  ka antony hitakiana ny fanafoanana tanteraka izany. Ny mpitari-dia izay mangataka hatrany ny fanohanana ara-tsosialy azy ireo.

TETIKASA « PAIR » : hahafahana manangana fotodrafitr’asa maro

0
Mandroso amin’izao fotoana izao ny fanatanterahana ny tetikasa PAIR na ny Projet d’amenagement des infrastructures Routières. Tafiditra anatin’ny asa ny fanamboarana ny lalam-pirenena faha-9, tetezana Befandriana sy Pomay sy ny fanavaozana maro hafa.

Belobaka : notokanana ny Centrale solaire hamatsy jiro ny mponina

0
Tsy hisy intsony afaka fotoana fohy ny olana amin'ny famatsiana herinaratra ao amin'ny faritra Boeny. Androany nitokana ny centrale solaire tao Belobaka Mahajanga II, izay hamatsy jiro ireo mponina ao amin'ny faritra Boeny ny filohan'ny repoblika. Ankoatra izay, fametrahana vato fototra roa sosona no nataony tao amin'ny Distrikan’ i Soalala faritry Boeny, ho fampandrosoana iny faritra iny.

Iray volan’ny teny Malagasy : “Izay manaja ny teniny, manaja ny taniny”

0
Iray amin’ny antoky ny fahombiazana ny fifehezana ny teny reny. Volana Jona, entina hanamarihina ny teny Malagasy. “Izay manaja ny teniny, manaja ny taniny”. Izay ny lohahevitra entina manamarika izany.